bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Philemon 1
Philemon 1
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Jump to:
Chapter 1
1
I Paoly, mpifatotra noho ny amin’i Kristy Jesosy, sy i Timoty rahalahy, no mamangy an’i Filemona, ilay malalanay sy mpiara-miasa aminay,
2
mamangy an’i Apia anabavinay koa sy i Arkipo, miaramila namantsika, ary ny fiangonana ao an-tranonao:
3
Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
4
Misaotra an’Andriamanitro mandrakariva aho raha mahatsiaro anao amin’ny vavaka ataoko
5
satria reko ny fitiavanao sy ny finoana izay anananao ny amin’i Jesosy Tompo sy ho an’ny olona masina rehetra.
6
Mba hiasa mafy ho an’i Kristy anie ny fiombonana avy amin’ny finoanao, amin’ny fahalalana ny zavatra tsara rehetra izay ao anatintsika!
7
Fa nanana fifaliana sy fiononana amin’ny fitiavanao aho, ry rahalahy, satria efa novelombelominao ny fon’ny olona masina.
8
Koa na dia manana fahasahiana be ao amin’i Kristy handidy anao amin’izay mendrika aza aho
9
dia aleoko, izaho Paoly izay efa antitra sady mpifatotra noho ny amin’i Kristy Jesosy no miangavy anao ankehitriny noho ny fitiavana.
10
Eny, miangavy anao aho ny amin’ny zanako izay naterako teto amin’ny fifatorako, dia i Onesimosy,
11
ilay tsy nahasoa anao fahiny, nefa mahasoa antsika ankehitriny; dia ianao sy izaho;
12
averiko atỳ aminao indray izy izay sombin’ny aiko.
13
Saika nohazoniko tatỳ amiko izy mba hanompo ahy hisolo anao eto amin’ny fifatorako noho ny Filazantsara,
14
nefa raha tsy mahalala izay hevitrao aho aloha dia tsy ta hanao na inona na inona mba tsy ho toy ny an-tery ny soa ataonao fa an-tsitrapo.
15
Izany angamba no nialany vetivety teo aminao mba hanananao azy mandrakizay,
16
tsy ho toy ny andevo intsony anefa fa mihoatra noho ny andevo: Rahalahy malala indrindra ho ahy izy, mainka fa ho anao, na ao amin’ny nofo na ao amin’ny Tompo.
17
Koa raha ataonao fa namanao aho dia raiso toa ahy izy.
18
Raha nanao izay tsy marina taminao izy na nitrosa taminao dia ataovy ho anjarako izany.
19
Izaho Paoly no manoratra izany amin’ny tanako, izaho no handoa izany, mba tsy hilazako aminao fa ianao mihitsy indray no manan-trosa amiko.
20
Eny, ry rahalahy, mba ataovy ho fifaliako avy aminao ao amin’ny Tompo izany; ampandrio ny saiko noho ny amin’i Kristy.
21
Noho ny fahatokiako fa hanaiky ianao no anoratako aminao, koa fantatro fa hanao mihoatra noho izay lazaiko aza ianao.
22
Ary izao koa: Mba anomany efitrano hitoerako aho; fa manantena aho fa hahazo fahafahana noho ny vavaka ataonareo.
23
Manao veloma anao i Epafra, mpifatotra namako ao amin’i Kristy Jesosy,
24
i Marka, i Aristarko, i Demasy ary i Lioka, mpiara-miasa amiko.
25
Ho amin’ny fanahinareo anie ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompo.
Jump to:
Chapter 1
All chapters:
1