bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ruth 3
Ruth 3
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 4 →
1
Dia hoy i Naomy rafozambaviny taminy: Tsy hitady izay tokantrano hahitanao fiadanana va aho anaka, mba hahasoa anao?
2
Ary ankehitriny, tsy isan’ny havantsika va i Boaza, tompon’ireo zatovovavy izay niarahanao? Indro, mikororòka varimbazaha eo am-pamoloana izy anio alina.
3
Koa mandroa sy mihosora diloilo ary miakanjoa, dia midìna any am-pamoloana. Nefa aza atao fantatr’i Ralehilahy akory ianao raha tsy efa avy nihinana sy nisotro izy.
4
Ary rehefa mandry izy dia fantaro izay andriany ary midira ka songay ny lamba eo an-tongony, dia mandria eo ianao. Ary holazainy aminao izay hataonao.
5
Dia hoy izy taminy: Eny, hataoko izay rehetra lazainao amiko.
6
Dia nidina tany am-pamoloana izy ka nanatanteraka izay rehetra nandidian’ny rafozambaviny azy.
7
Ary rehefa avy nihinana sy nisotro i Boaza ka faly ny fony dia nandeha handry teo amin’ny sisin’ny antontam-bary izy; fa nandeha nitsaitsaika kosa i Rota, dia nanonga ny lamba teo an-tongony ka nandry teo.
8
Ary nony mamatonalina dia nangorohoro Ralehilahy ka niarina hitsapa ary indro, nisy vehivavy nandry teo an-tongony.
9
Dia hoy izy: Iza moa izato? Ary hoy kosa Ravehivavy: Rota mpanompovavinao aho. Mba rakofy ny lambanao ny mpanompovavinao, fa havana mahavotra ianao.
10
Dia hoy izy: Hotahìn’NY TOMPO anie ianao, anaka! Izao farany izao ianao dia nanao soa be lavitra noho ny tamin’ny voalohany, noho ny tsy nandehananao nanaraka ny zatovo, na ny mahantra, na ny manankarena.
11
Koa ankehitriny anaka, aza matahotra; hataoko aminao izay rehetra angatahinao; fa fantatry ny fireneko rehetra eo an-tanàna fa vehivavy mendrika ianao.
12
Ankehitriny, marina fa havana mahavotra aho, nefa misy havana mahavotra akaiky kokoa noho izaho.
13
Mitoera ihany atỳ anio alina, ary rehefa maraina, raha hanavotra anao izy dia tsara izany, aoka izy no hanavotra anao; fa raha toa ka tsy hanao izany izy dia izaho no hanavotra anao, raha velona koa NY TOMPO! Mitoera ihany atỳ mandra-paharain’ny andro.
14
Dia nandry teo an-tongony mandra-paharain’ny andro i Rota, ary nifoha raha mbola maizimaizina, ilay mbola tsy ifankahalalana iny. Fa hoy Ralehilahy: Aza avela ho fantatr’olona fa tatỳ am-pamoloana Ravehivavy!
15
Dia hoy koa izy: Ento atỳ ny lamba itafianao ka hazòny. Ary rehefa nataony izany dia namatra varimbazaha inenin’ny famarana i Boaza ka nampitondrainy azy izany. Dia lasa nankany an-tanàna i Boaza.
16
Rehefa tonga tany amin’ny rafozambaviny i Rota dia hoy i Naomy: Nanao ahoana izay tany, anaka? Dia nambarany azy izay rehetra nataon-dRalehilahy taminy.
17
Hoy koa izy: Ireto varimbazaha inenin’ny famarana ireto dia nomeny ahy; fa hoy izy tamiko: Aza mandeha tsy mitondra zavatra ho any amin’ny rafozambavinao.
18
Dia hoy i Naomy: Mitoera ihany anaka, mandra-pahafantatrao izay hiafaran’ny raharaha; fa tsy hijanona Ralehilahy raha tsy vitainy anio ihany izany.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4