bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
1 Corinthians 1
1 Corinthians 1
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 2 →
1
I Paoly, voaantso ho apostolin’i Jesosy Kristy* noho ny sitrapon’Andriamanitra, sy i Sostena rahalahy,
2
no mamangy ny fiangonan’Andriamanitra any Korinto, dia izay nohamasinina ao amin’i Kristy Jesosy, olona voaantso sady masina, mbamin’izay rehetra miantso ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika eny amin’ny tany rehetra, dia izay sady Tompon’ireny no Tompontsika koa:
3
Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
4
Misaotra an’Andriamanitro mandrakariva ny aminareo aho noho ny fahasoavan’Andriamanitra izay nomena anareo ao amin’i Kristy* Jesosy,
5
dia ny nampanankarena anareo ao Aminy amin’ny zavatra rehetra, na ny teny rehetra, na ny fahalalana rehetra,
6
araka ny niorenan’ny filazana an’i Kristy teo aminareo,
7
koa tsy misy tsy anananareo ny fanomezam-pahasoavana rehetra, eo am-piandrasana ny fisehoan’i Jesosy Kristy Tompontsika
8
izay hampiorina anareo koa hatramin’ny farany ka tsy hanan-tsiny ianareo amin’ny andron’i Jesosy Kristy Tompontsika.
9
Mahatoky Andriamanitra izay nahatonga anareo ho voaantso, hanananareo firaisana amin’ny Zanany, dia Jesosy Kristy Tompontsika.
10
Mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy* Tompontsika, mba hiray teny ianareo rehetra ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara ka hiray saina sy hevitra.
11
Efa nambaran’ny avy amin’ny ankohonan’i Kloa tamiko mantsy ny mombamomba anareo, ry rahalahiko, fa misy fifampiandaniana eo aminareo.
12
Miteny izany aho satria misy aminareo milaza hoe: Izaho dia an’i Paoly, izaho dia an’i Apolosy, izaho dia an’i Kefasy, izaho dia an’i Kristy.
13
Voazarazara va Kristy? I Paoly va no voahombo tamin’ny hazofijaliana hamonjy anareo, sa ho amin’ny anaran’i Paoly no nanaovana batisa anareo?
14
Misaotra an’Andriamanitra aho fa tsy nisy nataoko batisa ianareo, afa-tsy i Krispo sy i Gaio,
15
fandrao misy milaza fa efa natao batisa ho amin’ny anarako ianareo.
16
Mba efa nanao batisa ny ankohonan’i Stefanasy koa anefa aho; ankoatra ireo dia tsy hitako izay nataoko batisa.
17
Fa tsy naniraka ahy hanao batisa Kristy fa hitory ny Filazantsara, tsy tamin’ny teny fahendrena, fandrao ho foana ny hazofijalian’i Kristy.
18
Fa ny teny ny amin’ny hazofijaliana dia fahadalana amin’izay ho very fa herin’Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena.
19
Fa voasoratra hoe: «Horavako ny fahendren’ny hendry ary holaviko ny fahalalan’ny mahalala» (Isa 29.14).
20
Aiza ny hendry? Aiza ny mpanoradalàna*? Aiza ny mpiady hevitra avy amin’izao tontolo izao? Tsy nampodin’Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren’izao tontolo izao?
21
Satria, na dia naseho aza ny fahendren’Andriamanitra, ny fahendrena dia tsy nahatonga izao tontolo izao hahalala an’Andriamanitra, koa ny fahadalan’ny fitorian-teny no sitrak’Andriamanitra hamonjeny izay mino.
22
Fa mila famantarana ny Jiosy*, ary mitady fahendrena ny Grika,
23
fa izahay kosa dia mitory an’i Kristy* voahombo tamin’ny hazofijaliana, dia fahatafintohinana amin’ny Jiosy ary fahadalana amin’ny Grika,
24
fa amin’izay voaantso kosa, na Jiosy na Grika, dia Kristy izay herin’Andriamanitra sy fahendren’Andriamanitra.
25
Fa ny fahadalan’Andriamanitra dia hendry noho ny olona, ary ny fahalemen’Andriamanitra dia mahery noho ny olona.
26
Mba hevero ny fiantsoana anareo, ry rahalahy, fa tsy firy ny olon-kendry araka ny nofo, tsy firy ny olona mahery, tsy firy ny avo razana;
27
fa ny adala amin’izao tontolo izao no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; ary ny malemy amin’izao tontolo izao no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny mahery;
28
ary ny iva razana amin’izao tontolo izao sy izay fanevateva no nofidin’Andriamanitra, dia ny atao ho tsy misy aza, mba hahafoana ny misy,
29
mba tsy hisy nofo hahazo hirehareha eo anatrehan’Andriamanitra.
30
Fa avy aminy no nahatonga anareo ho ao amin’i Kristy* Jesosy, izay natao fahendrena avy amin’Andriamanitra ho antsika, ary koa fahamarinana, fahamasinana ary fanavotana,
31
mba ho araka ny voasoratra hoe: «Izay mirehareha, aoka NY TOMPO no ho reharehany» (Jer 9.23).
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16