bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
2 John 1
2 John 1
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Jump to:
Chapter 1
1
Izaho loholona no mamangy an’Itompokovavy voafidy sy ny zanany, izay tiako amin’ny fahamarinana, ary tsy izaho ihany, fa izay rehetra mahalala ny marina koa
2
noho ny fahamarinana izay mitoetra ato anatintsika sady ho ato amintsika mandrakizay:
3
Ho amintsika ny fahasoavana sy ny famindrampo ary ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy*, Zanaky ny Ray, amin’ny fahamarinana sy ny fitiavana.
4
Faly indrindra aho satria misy hitako ny zanakao sasany mandeha amin’ny marina araka ny nandraisantsika didy tamin’ny Ray.
5
Ary mangataka aminao aho ankehitriny, tompokovavy, tsy toy ny manoratra didy vaovao aminao, fa ilay nananantsika hatramin’ny voalohany ihany, dia aoka hifankatia isika.
6
Ary izao no fitiavana dia ny handehanantsika araka ny didiny. Izany no didy, tahaka ny efa renareo hatramin’ny taloha ihany dia ny handehananareo aminy.
7
Fa maro ny mpamitaka efa lasa any amin’izao tontolo izao, ireny dia tsy manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo Jesosy Kristy*. Izany no mpamitaka sy antikristy.
8
Mitandrema ianareo, fandrao mahavery izay namonoanay tena, fa mba handraisanareo valim-pitia tanteraka kosa.
9
Izay rehetra mitarika nefa tsy mitoetra ao amin’ny fampianaran’i Kristy dia tsy manana an’Andriamanitra. Izay mitoetra ao amin’ny fampianarana dia izy no manana ny Ray sy ny Zanaka.
10
Raha misy olona mankeo aminareo ka tsy mitondra izao fampianarana izao, aza mampiantrano azy na miarahaba azy akory;
11
fa izay miarahaba azy dia miombona amin’ny ratsy ataony.
12
Manana zavatra maro hosoratana aminareo aho, nefa tsy tiako hatao amin’ny taratasy sy ny ranomainty izany; fa manantena ho tonga atỳ aminareo aho ka hiteny mifanatrika mba ho tanteraka ny fifalianareo.
13
Ny zanaky ny rahavavinao voafidy dia manao veloma anao.
Jump to:
Chapter 1
All chapters:
1