bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
2 Kings 1
2 Kings 1
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 2 →
1
Rehefa maty i Ahaba dia nikomy tamin’ny Israely ny Moabita.
2
Ary nianjera avy teo amin’ny makarakara teo amin’ny efitrano ambony tao Samaria i Ahazia ka narary. Dia nandefa iraka izy ka niteny taminy hoe: Mandehana, anontanio amin’i Baala-Zeboba, andriamanitr’i Ekrona, na ho sitrana amin’ity aretiko ity ihany aho na tsia.
3
Ary niteny tamin’i Elia tisbita Ilay Anjelin’NY TOMPO* hoe: Miaingà, miakara hihaona amin’ny iraky ny mpanjakan’i Samaria ka lazao aminy hoe: Moa tsy misy Andriamanitra va eo amin’ny Israely no mandeha hanontany amin’i Baala-Zeboba, andriamanitr’i Ekrona, ianareo?
4
Noho izany dia izao no lazain’NY TOMPO: Tsy hidina hiala amin’ny farafara izay niakaranao ianao fa ho faty tokoa. Dia lasa i Elia.
5
Nony niverina tany amin’ny mpanjaka ny iraka dia hoy izy taminy: Nahoana re ianareo no niverina?
6
Hoy ireo taminy: Nisy lehilahy niakatra nitsena anay ka niteny taminay hoe: Mandehana miverina any amin’ny mpanjaka izay naniraka anareo ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Moa tsy misy Andriamanitra va eo amin’ny Israely no mandefa iraka hanontany amin’i Baala-Zeboba, andriamanitr’i Ekrona, ianareo? Noho izany dia tsy hidina hiala amin’ny farafara izay niakaranao ianao fa ho faty tokoa.
7
Hoy i Ahazia taminy: Lehilahy toy inona izany lehilahy niakatra nitsena anareo izany, izay nilaza izany teny izany taminareo?
8
Ary hoy ireo taminy: Lehilahy mitafy volom-biby sady manao fehikibo hoditra. Dia hoy i Ahazia: I Elia tisbita izany!
9
Ary ny mpanjaka naniraka olona iray, mpifehy dimampolo, mbamin’ny dimampolo lahy feheziny, mba hankany amin’i Elia. Dia niakatra tany aminy izy ireo ka indro, nipetraka teo an-tampon’ny tendrombohitra i Elia; ary niteny taminy Ralehilahy hoe: Ry lehilahin’Andriamanitra ô, asain’ny mpanjaka midina ianao!
10
Nefa i Elia namaly ny mpifehy dimampolo hoe: Raha lehilahin’Andriamanitra tokoa aho dia aoka hisy afo milatsaka avy any an-danitra handevona anao sy ny dimampolo lahy fehezinao! Dia nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona azy mbamin’ny dimampolo lahy feheziny.
11
Ary naniraka mpifehy dimampolo hafa, mbamin’ny dimampolo lahy feheziny ny mpanjaka, mba hankany aminy indray. Hoy izy tamin’i Elia: Ry lehilahin’Andriamanitra ô, izao no tenin’ny mpanjaka: Midìna haingana ianao!
12
Fa namaly azy i Elia hoe: Raha lehilahin’Andriamanitra tokoa aho dia aoka hisy afo milatsaka avy any an-danitra ka handevona anao mbamin’ny dimampolo lahy fehezinao! Dia nisy afon’Andriamanitra nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona azy mbamin’ny dimampolo lahy feheziny.
13
Mbola naniraka mpifehy dimampolo hafa indray koa, mbamin’ny dimampolo lahy feheziny ny mpanjaka. Dia niakatra ilay mpifehy dimampolo ka tonga, ary nandohalika teo anatrehan’i Elia sady nifona taminy hoe: Miangavy anao re aho, ry lehilahin’Andriamanitra ô, aoka ho sarobidy eo imasonao ny aiko sy ny ain’ireto mpanomponao dimampolo ireto!
14
Indro, efa nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona ireo roa lahy mpifehy dimampolo ireo mbamin’ny dimampolo feheziny avy; fa ankehitriny, aoka kosa ho sarobidy eo imasonao ny aiko!
15
Ary hoy Ilay Anjelin’NY TOMPO* tamin’i Elia: Midìna ihany ianao hiaraka aminy fa aza matahotra azy. Dia niainga i Elia ka nidina niaraka taminy ho any amin’ny mpanjaka.
16
Hoy izy tamin’ny mpanjaka: Izao no lazain’NY TOMPO: Satria ianao naniraka olona mba hanontany amin’i Baala-Zeboba, andriamanitr’i Ekrona, ka ohatra ny tsy misy Andriamanitra eo amin’ny Israely, dia tsy hidina hiala amin’ny farafara izay niakaranao ianao fa ho faty tokoa.
17
Dia maty izy araka ny tenin’NY TOMPO izay nolazain’i Elia. Ary satria tsy nanan-janaka izy, dia i Jehorama no nanjaka nandimby azy tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Jehorama, zanak’i Josafata, mpanjakan’ny Joda.
18
Ny asan’i Ahazia sisa izay nataony, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Israely va izany?
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25