bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
2 Samuel 1
2 Samuel 1
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 2 →
1
Taorianan’ny nahafatesan’i Saoly, rehefa niverina avy nanafika ny Amalekita i Davida, dia nitoetra roa andro tao Ziklaga izy.
2
Tamin’ny andro fahatelo dia indro, nisy lehilahy iray tonga avy tany amin’ny miaramilan’i Saoly, rovidrovitra ny akanjony sady nihosin-tany ny lohany; rehefa tonga teo amin’i Davida izy dia niankohoka tamin’ny tany ka nitsaoka azy.
3
Hoy i Davida taminy: Avy taiza moa ianao? Dia hoy izy taminy: Afaka nandositra avy tany amin’ny tobin’ny Israely aho.
4
Hoy i Davida taminy: Inona no zava-nitranga tany? Miangavy anao aho, ambarao amiko. Dia hoy izy: Nandositra tamin’ny ady ny olona ary be koa ny miampatrampatra sy maty; maty koa i Saoly sy Jonatana zanany.
5
Ary hoy i Davida tamin’ilay zatovo izay nanambara taminy: Ahoana no nahafantaranao fa maty i Saoly sy i Jonatana zanany?
6
Dia nanambara taminy ilay zatovo hoe: Sendra tao an-tendrombohitra Gilboa aho no indro i Saoly nitehina tamin’ny lefony; ary indreo, ny kalesy fitondra miady sy ny mpitaingin-tsoavaly nanenjika azy mafy.
7
Dia niherika izy ka nahita ahy; ary niantso ahy izy ka hoy aho: Inty aho.
8
Dia hoy izy tamiko: Iza moa ianao? Dia hoy aho taminy: Amalekita aho.
9
Hoy indray izy tamiko: Miangavy anao aho, manatòna ka vonoy aho fa fanina, nefa mbola ato anatiko ihany ny aiko.
10
Dia nanatona azy aho ka namono azy, satria fantatro fa tsy ho velona intsony izy taorianan’ny nahavoa azy; dia nalaiko ny satroboninahiny teo an-dohany sy ny fehin-tanana teo amin’ny sandriny ka nentiko etỳ amin’ny tompoko izany.
11
Dia noraisin’i Davida ny fitafiany ka notriariny; dia mba nanao toy izany koa ny olona rehetra teo aminy.
12
Nisaona sy nitomany ary nifady hanina izy ireo mandra-paharivan’ny andro noho ny amin’i Saoly sy i Jonatana zanany sy ny olon’NY TOMPO ary ny taranak’Israely satria lavon-tsabatra ireny.
13
Hoy i Davida tamin’ilay zatovo izay nanao tatitra taminy: Avy aiza ianao? Ary hoy izy: Zanaky ny vahiny amalekita aho.
14
Dia hoy i Davida taminy: Nahoana ianao no tsy natahotra hanainga ny tananao hamono ny voahosotry NY TOMPO?
15
Dia niantso zatovo iray i Davida ka niteny hoe: Manatòna dia vonoy io; dia nasiany izy ka maty.
16
Ary hoy i Davida taminy: Aoka ho eo amin’ny lohanao ny ranao, satria ny vavanao ihany no efa niampanga anao hoe: Izaho no namono ny voahosotry NY TOMPO.
17
Nisaona an’i Saoly sy i Jonatana zanany tamin’izao hira fisaonana izao i Davida,
18
ary nasainy nampianarina ny taranak’i Joda* ny hira atao hoe Tsipìka; indro, voasoratra ao amin’ny bokin’i Jasara izany:
19
Ilay voninahitrao, ry Israely, no voalefona teo amin’ny havoananao! Indrisy! Lavo ny mahery!
20
Aza ambaranareo any Gata izany, aza torinareo ho fifaliana any an-dalamben’i Askelona, fandrao mifaly ny zanakavavin’ny Filistina, fandrao miravoravo ny zanakavavin’ny tsy mifora.
21
Ianareo tendrombohitra Gilboa, aza misy ando aman’orana intsony eny aminareo, na saha mahavokatra! Satria tany no nanariana ny ampingan’ny mahery, dia ny ampingan’i Saoly ka tsy nohosorana diloilo.
22
Ny tsipìkan’i Jonatana dia tsy nihemotra raha tsy nahazo ny ran’ny maty sy ny tavin’ny mahery; ary ny sabatr’i Saoly dia tsy mba niverina foana.
23
I Saoly sy i Jonatana izay tiana sady maha te ho tia fony fahavelony dia tsy nosarahina na tamin’ny nahafatesany aza; haingam-pandeha noho ny voromahery izy ireo ary mahery noho ny liona.
24
Ry zanakavavin’Israely, mitomania an’i Saoly, fa nahafinaritra ny nampitafiany lamba jaky anareo sady nasiany firavaka volamena ny fitafianareo.
25
Indrisy! Lavo teo amin’ny ady ny mahery! Voalefona teo amin’ny havoananao i Jonatana!
26
Ory noho ny aminao aho, ry Jonatana rahalahiko! Nahafinaritra ahy indrindra ianao; nahagaga ny fitiavanao ahy mihoatra noho ny fitiavan’ny vehivavy.
27
Indrisy! Lavo ny mahery! Levona ny fiadiana!
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24