bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
2 Timothy 1
2 Timothy 1
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 2 →
1
I Paoly, apostolin’i Kristy* Jesosy noho ny sitrapon’Andriamanitra mba ho mpitory ny teny fikasana milaza ny fiainana izay ao amin’i Kristy Jesosy,
2
no mamangy an’i Timoty, zanako malala: Ho aminao anie ny fahasoavana sy ny famindrampo ary ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy Tompontsika!
3
Misaotra an’Andriamanitra izay tompoiko araka ny nataon’ny razako amin’ny fieritreretana madio aho; fa tsy manam-pitsaharana ny fahatsiarovako anao amin’ny fivavahako andro aman’alina;
4
ary maniry hahita anao aho mba ho feno ny fifaliako satria tsaroako ny ranomasonao;
5
fa nisy nahatsiarovako ny finoana tsy mihatsaravelatsihy izay ao anatinao, izay nitoetra taloha tao amin’i Loisa renibenao sy i Eonika reninao, ary matoky aho fa ao aminao koa izany.
6
Noho izany dia mampahatsiaro anao aho mba hamelomanao ny fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra, izay ao anatinao tamin’ny nametrahako ny tanako taminao.
7
Fa tsy nomen’Andriamanitra fanahin’ny fahosana isika fa fanahin’ny hery sy ny fitiavana ary ny fahononan-tena.
8
Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika ianao na amiko izay mpifatony. Fa aoka ianao ho mpiombona fahoriana amiko noho ny Filazantsara araka ny herin’Andriamanitra,
9
dia izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin’ny fiantsoana masina, tsy araka ny asantsika fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay nomena antsika tao amin’i Kristy* Jesosy hatry ny fony fahagola.
10
Naharihary izany ankehitriny tamin’ny nisehoan’i Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika, izay nahafoana ny herin’ny fahafatesana, koa ny Filazantsara no nampisehoany mazava ny fiainana sy ny tsy fahalovana mandrakizay.
11
Ny amin’io Filazantsara io no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly ary mpampianatra ny Jentilisa*.
12
Ary noho izany koa no iaretako izao zavatra izao, koa tsy menatra aho satria fantatro Izy izay inoako, ary matoky aho fa Izy dia mahatahiry ilay zavatra natolony ahy mandra-piavin’izay andro izay.
13
Tano amin’ny finoana sy ny fitiavana ao amin’i Kristy Jesosy ny mariky ny teny tsy misy kilema izay efa renao tamiko.
14
Ilay zavatra tsara natolotra anao dia tahirizo amin’ny fampaherezan’ny Fanahy Masina izay mitoetra ao anatintsika.
15
Fantatrao fa efa nahafoy ahy izay rehetra any Azia; isan’ireny i Figelo sy i Hermogena.
16
Homen’ny Tompo famindrampo anie ny ankohonan’i Onesiforosy satria namelombelona ny fanahiko matetika sady tsy nahamenatra azy ny gadrako;
17
fa raha tatỳ Roma izy dia nitady ahy fatratra ka hitany aho.
18
Ny Tompo anie hampahita azy famindrampo avy amin’ny Tompo amin’izay andro izay. Ary fantatrao tsara fa be dia be ny fanompoana nataony tamiko tany Efesosy.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4