bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Acts 1
Acts 1
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 2 →
1
Ry Teofilo, Ilay boky voalohany dia nosoratako momba izay natombok’i Jesosy natao sy nampianarina,
2
hatramin’ny andro nampiakarana Azy, rehefa avy nodidiany tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny Apostoly izay nofidiny.
3
Niseho tamin’ireo tamin’ny famantarana maro koa Izy fa velona, taorianan’ny nijaliany; eny, niseho tamin’izy ireo nandritra ny efapolo andro Izy ary nilaza ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
4
Raha niara-nisakafo tamin’izy ireo Jesosy dia namepetra azy tsy hiala tao Jerosalema fa hiandry ny teny fikasan’ny Ray izay efa renareo tamiko, hoy Izy;
5
fa i Jaona dia nanao batisa tamin’ny rano fa ianareo kosa dia hatao batisa amin’ny Fanahy Masina rehefa afaka andro vitsivitsy.
6
Koa izay tafangona teo dia nanontany Azy hoe: Tompoko, amin’izao va no hampodianao ny fanjakana ho amin’ny Israely?
7
Fa hoy kosa Izy taminy: Tsy anjaranareo ny hahafantatra ny andro na ny fotoana izay efa notendren’ny Ray amin’ny fahefany irery ihany.
8
Fa hahazo hery ianareo amin’ny hahatongavan’ny Fanahy Masina aminareo ka ho vavolombeloko any Jerosalema sy manerana an’i Jodia* sy i Samaria ary hatrany amin’ny faran’ny tany.
9
Rehefa nilaza izany Jesosy dia nakarina, raha mbola nijery izy ireo; nisy rahona nitondra Azy ka tsy hitan’ny masony intsony Izy.
10
Ary raha mbola nandinika ny lanitra izy ireo tamin’ny nandehanan’i Jesosy dia indreo, nisy roa lahy tonga teo anilany, niakanjo fotsy,
11
ary niteny hoe: Ry lehilahy galiliana, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra ianareo? Iny Jesosy izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy indray tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra.
12
Dia niverina nankany Jerosalema izy ireo rehefa avy teo amin’ny tendrombohitra atao hoe Oliva izay akaikin’i Jerosalema, halaviran-dalana azo aleha amin’ny Sabata*.
13
Rehefa tafiditra ny tanàna izy ireo dia niakatra ho any amin’ny efitra ambony rihana izay nipetrahany; i Petera, i Jaona, i Jakoba, i Andrea, i Filipo, i Tomasy, i Bartolomeo, i Matio, i Jakoba zanak’i Alfeo, i Simona Zelota ary i Jodasy, zanak’i Jakoba no tao.
14
Ireo rehetra ireo dia niray saina sady naharitra nivavaka niaraka tamin’ny vehivavy sy i Maria, renin’i Jesosy, ary ireo rahalahiny.
15
Tamin’izany andro izany dia nitsangana teo afovoan’ireo rahalahy i Petera; tokony ho roapolo amby zato no isan’ny olona vory teo tamin’izay ka hoy izy:
16
Ry rahalahy, tsy maintsy notanterahina ilay tenin’ny Soratra Masina izay nampilazain’ny Fanahy Masina mialoha an’i Davida, ny amin’i Jodasy izay tonga mpitarika ireo olona nisambotra an’i Jesosy;
17
izy iny dia isantsika ihany ka nahazo anjara tamin’izao fanompoana izao koa.
18
Ary izany lehilahy izany dia nahazo saha tamin’ny tambin’ny fahotany; ary potraka niankohoka izy, dia vaky ny kibony ka nipoaka sady nivaroraka avokoa ny tsinainy.
19
Ary fantatr’izay rehetra monina eto Jerosalema izany, koa ny anaran’io saha io, amin’ny fitenin-dry zareo, dia atao hoe Akeldama, izany hoe Sahan-dra.
20
Fa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Salamo hoe: «Aoka ho lao ny fonenany ary aoka tsy hisy olona honina ao.» (Sal 69.25) ary koa: «Aoka ho lasan’olon-kafa ny anjara raharahany.» (Sal 109.8)
21
Koa amin’ireo lehilahy niaraka tamintsika mandrakariva ireo, raha nifanerasera tamintsika Jesosy Tompo, nanomboka tamin’ny batisan’i Jaona ka
22
hatramin’ny andro nampiakarana Azy niala tamintsika, dia tokony hisy iray ho namantsika mba ho vavolombelon’ny nitsanganany.
23
Ary nanokana roa lahy izy ireo, dia i Josefa, antsoina hoe Barsabasy, izay antsoina koa hoe Josto, sy i Matia.
24
Dia nivavaka izy hoe: Ianao, Tompo ô, izay mahalala ny fon’ny olona rehetra, asehoy izay nofidinao amin’izy roa lahy ireto,
25
mba hahazoany anjara amin’izao fanompoana sy ny maha apostoly izao, izay nialan’i Jodasy ho any amin’ny anjara toerany.
26
Dia nanao antsapaka ho azy izy ireo ka nianjera tamin’i Matia ny antsapaka; ary izy izany no lany ho naman’ny apostoly iraika amby folo lahy.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28