bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Amos 1
Amos 1
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 2 →
1
Ireo tenin’i Amosa, isan’ny mpiandry ondry tany Tekoa, dia izay hitany ny amin’ny Israely tamin’ny andro nanjakan’i Ozia mpanjakan’ny Joda, sy tamin’ny andro nanjakan’i Jeroboama, zanak’i Joasy, mpanjakan’ny Israely, roa taona talohan’ny horohoron-tany.
2
Hoy izy: Avy ao Ziona NY TOMPO no mierona, ary avy ao Jerosalema Izy no mampikotroka ny feony. Misaona ny saha fiandrasana ondry ary maina ny tampon’i Karmela.
3
Izao no lazain’NY TOMPO: Noho ny fahotana telon’i Damaskosy, eny, efatra aza, dia tsy hotsoahako ny fitsarana satria ragiragy vy no nanosihoseny an’i Gileada;
4
handefasako afo ny tranon’i Hazaela ka handevona ireo lapan’i Beny-Hadada izany.
5
Hotorotoroiko ny hidin’i Damaskosy, hofoanako tsy hisy mponina ny lohasahan’i Avena ary hesoriko tao Bety-Edena izay mitana tehim-piandrianana; ho lasan-ko babo any Kira ny vahoakan’i Arama, hoy NY TOMPO.
6
Izao no lazain’NY TOMPO: Noho ny fahotana telon’i Gaza, eny, efatra aza, dia tsy hotsoahako ny fitsarana satria nalefany ho babo avokoa ny olona ka natolony an’i Edoma;
7
handefasako afo ny mandan’i Gaza ka handevona ireo lapany izany.
8
Hofoanako tsy hisy mponina i Asdoda ary tsy hisy hitana tehim-piandrianana ao Askelona; haveriko hamely an’i Ekrona ny tanako ka ho fongana izay sisa amin’ny Filistina, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
9
Izao no lazain’NY TOMPO: Noho ny fahotana telon’i Tiro, eny, efatra aza, dia tsy hotsoahako ny fitsarana satria natolony an’i Edoma ny babo rehetra ary tsy notsarovany ny fanekem-pirahalahiana;
10
handefasako afo ny mandan’i Tiro ka handevona ireo lapany izany.
11
Izao no lazain’NY TOMPO: Noho ny fahotana telon’i Edoma, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy satria nanenjika ny rahalahiny tamin’ny sabatra izy ka nofoanany ny fiantrany; mamiravira mandrakariva ny fahatezerany ary notahiriziny lalandava ny fahavinirany;
12
handefasako afo ao Temana ka handevona ireo lapan’i Bozra izany.
13
Izao no lazain’NY TOMPO: Noho ny fahotana telon’ny taranak’i Amona, eny, efatra aza, dia tsy hotsoahako ny fitsarana satria notatahany ny kibon’izay bevohoka tao Gileada mba hanitarany ny taniny;
14
hampirehitra afo ao amin’ny mandan’i Raba Aho ka handevona ireo lapany izany ary hisy horakoraka amin’ny andro iadiana sy rivo-mahery amin’ny andron’ny tadio;
15
dia ho lasan-ko babo ny mpanjakany mbamin’ireo mpanapaka rehetra ao aminy, hoy NY TOMPO.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9