bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Colossians 3
Colossians 3
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 4 →
1
Koa raha niara-natsangana tamin’i Kristy ianareo dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin’ny itoeran’i Kristy, izay mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra.
2
Saino ny zavatra any ambony fa tsy ny zavatra etỳ an-tany.
3
Fa efa maty ianareo, ary miara-miafina amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra ny fiainanareo.
4
Rehefa hiseho Kristy fiainantsika dia hiara-miseho Aminy amin’ny voninahitra koa ianareo.
5
Koa vonoy izay momba ny tenanareo etỳ an-tany: Fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fitiavan-karena, izay fanompoan-tsampy.
6
Izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ny taranaka tsy mankatò.
7
Izany koa no nalehanareo fahiny, fony mbola velona taminy ianareo.
8
Fa ankehitriny kosa dia esory koa ireto rehetra ireto: Fahatezerana, firehetana, lolompo, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra aloaky ny vavanareo.
9
Aza mifandainga ianareo, fa efa narianareo ny maha olona taloha mbamin’ny asany;
10
ary efa notafinareo ny maha olom-baovao izay havaozina ho amin’ny fahalalana tsara araka ny endrik’Izay nahary azy.
11
Fa amin’izany dia tsy misy Grika sy Jiosy*, na voafora sy tsy voafora, na Barbariana sy Skitiana, na andevo sy olona afaka, fa Kristy* no zavatra rehetra sady amin’ny rehetra.
12
Koa mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fahari-po, araka ny maha olom-boafidin’Andriamanitra izay sady masina no malala.
13
Mifandefera ka mifamelà heloka ianareo raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.
14
Ary aoka ho ambonin’izany rehetra izany ny fitiavana izay fehin’ny fahatanterahana.
15
Ary aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan’i Kristy, fa ho amin’izany no niantsoana anareo ho tena iray; ary aoka ho feno fisaorana ianareo.
16
Aoka ny tenin’i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo; dia mifampianara ka mifananara amin’ny fahendrena rehetra amin’ny salamo sy ny hira ary ny tononkiram-panahy, mihira amin’ny fahasoavana ao am-ponareo ho an’Andriamanitra.
17
Ary na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny anaran’i Jesosy Tompo izany rehetra izany, koa misaora an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany.
18
Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, araka izay mety hatao ao amin’ny Tompo.
19
Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo ary aza sosotra aminy.
20
Ianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin’ny zavatra rehetra; fa ankasitrahana ao amin’ny Tompo izany.
21
Ianareo ray, aza mampahasosotra ny zanakareo, fandrao mamoy fo izy.
22
Ianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin’ny zavatra rehetra, tsy amin’ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mila sitraka amin’olona, fa amin’ny fahatsoram-po sy ny fahatahorana ny Tompo.
23
Ary na inona na inona ataonareo dia ataovy amin’ny fo, tahaka ny ho an’ny Tompo fa tsy ho an’olona
24
satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny lova ho valiny; fa manompo an’i Kristy* Tompo ianareo.
25
Satria izay manao ny tsy marina dia handray araka ny tsy marina nataony fa tsy misy fizahan-tavan’olona.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4