bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Ecclesiastes 1
Ecclesiastes 1
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 2 →
1
Ny tenin’i Mpitoriteny, zanak’i Davida, mpanjaka tany Jerosalema.
2
Tena zava-poana, hoy i Mpitoriteny, tena zava-poana, eny, zava-poana ny zavatra rehetra!
3
Inona moa no soa azon’ny olona amin’ny fisasarany rehetra izay isasarany etỳ ambanin’ny masoandro?
4
Lasa ny taranaka iray ary mandimby kosa ny taranaka hafa; nefa ny tany dia mbola maharitra eo ihany.
5
Miposaka ny masoandro ary milentika ny masoandro sady miriotra ho any amin’ny toerana izay niposahany.
6
Mianatsimo ny rivotra dia mihodina mianavaratra, mivezivezy mandrakariva izy ka miverimberina mihodidina foana.
7
Ny renirano rehetra dia samy mankany amin’ny ranomasina nefa tsy mety feno ny ranomasina; any amin’izay falehan’ny renirano ihany no iverenany indray.
8
Manasatra ny zavatra rehetra ka tsy misy olona mahalaza izany intsony; ny maso dia tsy afa-po mijery, ary ny sofina dia tsy afa-po mihaino.
9
Izay efa teo ihany no ho tonga indray ary izay efa natao ihany no mbola haverina indray; tsy misy zava-baovao etỳ ambanin’ny masoandro.
10
Raha misy zavatra lazaina hoe: E! Ity no vaovao, dia ilay efa teo ela tany amin’ny andro talohantsika ihany izany.
11
Tsy tsaroana ny taloha ary ny ho avy koa dia tsy ho tsaroan’ny taranaka manaraka.
12
Izaho Mpitoriteny dia mpanjakan’ny Israely tany Jerosalema.
13
Tamin’ny foko manontolo no nitadiavako sy nikatsahako tamim-pahendrena ny zavatra rehetra izay atao atỳ ambanin’ny lanitra; asa mavesatra nomen’Andriamanitra hisasaran’ny zanak’olombelona izany.
14
Efa hitako ny zavatra rehetra izay atao etỳ ambanin’ny masoandro, fa indro, zava-poana sy sambo-drivotra avokoa izany rehetra izany.
15
Ny meloka dia tsy mety ho tonga mahitsy ary ny tsy ao dia tsy mba azo isaina.
16
Hoy aho anakampo: Indro, nanangona fahendrena be dia be mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema aho; eny, nahita fahendrena sy fahalalana betsaka aho.
17
Niasa saina aho mba hahalala ny fahendrena sy hamantatra ny fahadalana; dia fantatro fa sambo-drivotra foana koa izany
18
satria izay be fahendrena dia be fahasahiranan-tsaina ary izay mitombo fahalalana dia mitombo fanaintainana.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12