bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Ephesians 1
Ephesians 1
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 2 →
1
I Paoly, apostolin’i Kristy* Jesosy noho ny sitrapon’Andriamanitra no mamangy ny olona masina any Efesosy, izay mahatoky ao amin’i Kristy Jesosy:
2
Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
3
Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy* Tompontsika, izay nitahy antsika tao amin’i Kristy amin’ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra,
4
araka ny nifidianany antsika tao Aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao, mba ho masina sady tsy misy tsiny eo anatrehany isika
5
rehefa notendreny rahateo tamin’ny fitiavana mba ho Azy amin’ny fananganana anaka, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, araka izay ankasitrahan’ny fony,
6
mba ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany izay nanasoavany antsika maimaimpoana tao amin’ny Malalany.
7
Ao Aminy no ananantsika fanavotana tamin’ny alalan’ny rany, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny harenan’ny fahasoavany
8
izay nataony be dia be ho antsika tamin’ny fahendrena sy ny fisainana rehetra:
9
Nampahafantariny antsika ny zavamiafina ny amin’ny sitrapony, araka ny safidiny izay nokasain’ny tenany,
10
mba hanatanterahany izany rehefa tonga ny fotoana voatendry, ka hanangonany indray ny zavatra rehetra, na ny any an-danitra na ny etỳ an-tany ho ambanin’ny mpitondra tokana dia Kristy.
11
Tao Aminy koa no nandraisantsika ny anjara lovantsika, dia isika izay notendrena mialoha araka ny fikasan’Izay mahefa ny zavatra rehetra, araka izay sitraky ny fony,
12
mba ho fiderana ny voninahiny isika izay manana fanantenana ao amin’i Kristy.
13
Ao Aminy koa ianareo, rehefa renareo ny tenin’ny fahamarinana, dia ny Filazantsara izay mamonjy anareo. Eny, ao Aminy koa ianareo, rehefa nino ka nasiana tombo-kase tamin’ny Fanahy Masina, araka ny teny fikasana.
14
Izany Fanahy izany no santatry ny lovantsika ho amin’ny fanavotana ny olona izay nalainy ho an’ny tenany, mba ho fiderana ny voninahiny.
15
Noho izany, izaho koa, rehefa nandre ny amin’ny finoanareo an’i Jesosy Tompo sy ny fitiavanareo ny olona masina rehetra,
16
dia tsy mitsahatra misaotra noho ny aminareo ka mahatsiaro anareo amin’ny vavaka ataoko
17
mba homen’Andriamanitr’i Jesosy Kristy* Tompontsika, Rain’ny voninahitra, ho anareo ny fanahin’ny fahendrena sy ny fanambaràna mba hahalalanareo Azy tsara.
18
Dia mba hampahiratina ny mason’ny sainareo ka ho fantatrareo ny fanantenana izay miaraka amin’ny fiantsoany sy ny harena feno voninahitra ao amin’ny lova omeny anareo miaraka amin’ny olona masina,
19
ary mba ho fantatrareo fa lehibe tsy hita lany ny heriny izay nasehony ho antsika mpino. Izany dia nataony araka ny heriny tsy hay tohaina.
20
Izany heriny izany no nananganany an’i Kristy tamin’ny maty sy nampitoerany Azy eo ankavanany any an-danitra,
21
ambony lavitra noho ny fanapahana rehetra, ny fahefana, ny hery, ny fanjakana ary ny anarana rehetra azo tononina, tsy amin’izao fiainana izao ihany, fa amin’ny ho avy koa.
22
Nampanaiky ny zavatra rehetra ho eo ambanin’ny tongony Izy ka nanao Azy ho ambonin’ny zavatra rehetra sady Lohan’ny fiangonana
23
izay tenany, dia ny fahafenoan’Izay mameno tanteraka ny zavatra rehetra.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6