bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Esther 1
Esther 1
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 2 →
1
Tamin’ny andro nanjakan’i Ahasoerosy, i Ahasoerosy izay nanjaka hatrany India ka hatrany Kosy ary nizarazara ny fanjakany ho fari-piadidiana fito amby roapolo amby zato,
2
tamin’izany andro izany dia nipetraka teo amin’ny sezafiandrianan’ny fanjakany izay tany Sosana, tanàna mimanda, i Ahasoerosy mpanjaka.
3
Tamin’ny taona fahatelo nanjakany dia nanao fanasana ho an’ny mpitarika sy ny mpanompony rehetra izy. Teo anatrehany koa ny lehiben’ny miaramilan’i Persia sy i Media ary ny mpitondra mbamin’ireo lehiben’ny fari-piadidiana ao amin’ny fanjakany.
4
Nasehony nandritra ny andro maro, valopolo amby zato andro, ny harena amam-boninahitry ny fanjakany ary ny famirapiratry ny fahalehibiazany.
5
Rehefa tapitra izany andro izany dia nanaovan’ny mpanjaka fanasana naharitra hafitoana teo ankalamanjana tao amin’ny zaridainan’ny mpanjakany ny olona rehetra izay tany Sosana, tanàna mimanda, na lehibe na kely.
6
Nisy lamba fotsy misoratsoratra sy manga nohazonin’ny kofehy rongony fotsy madinika sy volomparasy izay nandalo tamin’ny masom-bolafotsy teny amin’ny andry vato marbra fotsy. Nisy farafara volamena sy volafotsy teo amin’ny lampivato vita amin’ny alabasitara, marbra fotsy, hara ary marbra mainty.
7
Nampisotroina tamin’ny kapoaka volamena ny olona ka samihafa avokoa ny kapoaka, ary betsaka ny divain’ny mpanjaka araka ny fanomen’ny mpanjaka.
8
Ny nisotroan’ny olona dia araka ny tenin’ny mpanjaka ka tsy nisy faneriterena satria toy izany no baikon’ny mpanjaka tamin’ny mpitandrina ny tranony rehetra mba hanaovany araka izay sitrapon’ny tsirairay avy.
9
Mba nanao fanasana ho an’ny vehivavy tao amin’ny tranom-panjakana, izay an’i Ahasoerosy mpanjaka, koa i Vasty, vadin’ny mpanjaka.
10
Tamin’ny andro fahafito, nony faly azon’ny divay iny ny fon’ny mpanjaka, dia nomeny teny i Mehomana, i Bizta, i Harbona, i Bigta, i Abagta, i Zetara ary i Karkasa, ionòka* fito izay nanompo teo anatrehan’i Ahasoerosy mpanjaka,
11
mba hitondra an’i Vasty, vadin’ny mpanjaka, ho eo anatrehan’ny mpanjaka, misatroka ny satroboninahitry ny fanjakana, mba haseho amin’ny olona sy ny mpitondra ny bikany fa tsara tarehy izy.
12
Nandà ny tenin’ny mpanjaka izay noentin’ireo ionòka anefa i Vasty, vadin’ny mpanjaka, ka tsy nety nankany. Dia tezitra loatra ny mpanjaka ka nirehitra tao am-pony ny fahatezerany.
13
Dia niresaka tamin’ny mpanandro ny mpanjaka. Toy izany mantsy no nanaovana ny raharahan’ny mpanjaka teo anatrehan’izay rehetra nahalala lalàna sy fitsarana
14
ary ireo izay teo akaikiny, dia i Karsena, i Setara, i Admata, i Tarsisy, i Meresa, i Marsena ary i Memokana, mpitondra fito tamin’i Persia sy i Media, izay nahazo nijery ny tavan’ny mpanjaka ka nipetraka tamin’ny toerana voalohany teo amin’ny fanjakana. Hoy ny mpanjaka:
15
Araka ny lalàna, ahoana no hanaovana an’i Vasty, vadin’ny mpanjaka, satria tsy nankatò ny didiko, izaho Ahasoerosy mpanjaka, didy izay noentin’ireo ionòka izy?
16
Dia namaly teo anatrehan’ny mpanjaka sy ny mpitondra i Memokana hoe: Tsy tamin’ny mpanjaka ihany no nanaovan’i Vasty, vadin’ny mpanjaka, izao ratsy izao fa tamin’ny mpitondra rehetra koa sy ny vahoaka rehetra amin’ny fari-piadidiana manerana ny fanjakan’i Ahasoerosy mpanjaka.
17
Hiely any amin’ny vehivavy rehetra izao zavatra nataon’ny vadin’ny mpanjaka izao ka hanaovany tsinontsinona ny vadiny fa samy hilaza izy ireo hoe: I Ahasoerosy mpanjaka aza nandidy mba hitondrana an’i Vasty vadiny ho eo anatrehany nefa dia tsy nety izy.
18
Ary na dia amin’izao andro izao aza ny vehivavy manankajan’i Persia sy i Media izay mandre ny nataon’ny vadin’ny mpanjaka dia samy hilaza izany amin’ny mpitondra rehetra voatendrin’ny mpanjaka, koa ho loza loatra ny famingavingana sy ny faniratsirana.
19
Koa raha sitraky ny mpanjaka dia aoka hisy didim-panjakana avy amin’ny mpanjaka hosoratana ao amin’ny lalànan’i Persia sy Media ka tsy azo ovana: Tsy hahazo hankeo anatrehan’i Ahasoerosy mpanjaka intsony i Vasty ary ny voninahiny dia aoka homen’ny mpanjaka ho an’izay vehivavy hafa tsara noho izy.
20
Koa rehefa re manerana ny fanjakany rehetra, izay lehibe tokoa, ny didin’ny mpanjaka izay havoakany dia samy hanome voninahitra ny vadiny avy ny vehivavy rehetra na lehibe na kely.
21
Dia sitraky ny mpanjaka sy ny mpitondra izany teny izany ka nanatanteraka ny tenin’i Memokana ny mpanjaka.
22
Dia nampitondra taratasy ho any amin’ny fari-piadidiana rehetra ao amin’ny fanjakan’ny mpanjaka izy, dia ny fari-piadidiana tsirairay araka ny fomba fanoratany avy ary ny firenena tsirairay araka ny fiteniny avy mba hahafehy ny ao an-tranony avy ny lehilahy rehetra ary samy hiteny araka ny fiteniny avy ny firenena tsirairay.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10