bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Exodus 15
Exodus 15
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 16 →
1
Tamin’izay i Mosesy sy ny Zanak’Israely dia nihira izao hira izao ho an’NY TOMPO hoe: Hihira ho an’NY TOMPO aho fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy dia nariany any amin’ny ranomasina.
2
NY TOMPO no heriko sy anton’ny fiderako, fa famonjena ahy Izy; Izy no Andriamanitro ka hankalaza Azy aho. Izy no Andriamanitry ny razako ka hanandratra Azy aho.
3
NY TOMPO dia mpiady mahery. NY TOMPO no anarany.
4
Ny kalesin’i Farao fitondra miady sy ny miaramilany dia natsipiny ao amin’ny ranomasina; ary ny manamboninahitra voafantina dia nilentika ao amin’ny Ranomasina Mena.
5
Nanarona azy ireo ny lalina: Nilentika tany ambany indrindra tahaka ny vato izy ireo.
6
Ny tananao ankavanana, TOMPO ô, dia malaza amin’ny hery; ny tananao ankavanana, TOMPO ô, no manorotoro ny fahavalo.
7
Amin’ny halehiben’ny voninahitrao no andringananao izay mitsangana hanohitra Anao; alefanao ny fahatezeranao mirehitra ka mandevona azy toy ny mololo.
8
Ny fofonain’ny vavoronao no nampivangongo ny rano; nijoro toy ny antontan-javatra ny rano mikoriana; nivaingana teo afovoan’ny ranomasina ny rano lalina.
9
Hoy ny fahavalo: Hanenjika aho, hahatratra aho, hizara babo aho ka hameno ny tendako amin’izany, hotsoahiko ny sabatro ka hamongotra azy ny tanako.
10
Ny fofonainao no nitsofanao dia nanarona azy ny ranomasina; nilentika tahaka ny firaka ao anatin’ny rano mahery izy.
11
TOMPO ô, iza no tahaka Anao amin’izay andriamanitra? Iza no tahaka Anao, izay ankalazaina amin’ny fahamasinana, deraina amin’ny fahatahorana, ary mpanao fahagagana?
12
Natsotranao ny tananao ankavanana dia nitelina azy ireo ny tany.
13
Tarihinao amin’ny famindramponao ny firenena izay navotanao; entinao amin’ny herinao izy ho any amin’ny fonenanao masina.
14
Mandre ireo firenena ka raiki-tahotra; hovitra no mahazo ny mponina any Filistia;
15
toran-kovitra ireo loham-pirenen’i Edoma; azon-korohoro ireo lehilahy maherin’i Moaba; reraka ny fon’izay rehetra monina any Kanana.
16
Tonga aminy ny tahotra sy ny hovitra; noho ny halehiben’ny sandrinao dia mangina tahaka ny vato izy, mandra-pandalon’ny olonao, TOMPO ô, mandra-pandalon’ny olona izay nalainao ho Anao.
17
Dia hampiditra azy Ianao ka hamponina azy ao amin’ny tendrombohitra lovanao, ao amin’ny fonenana nataonao hitoeranao, TOMPO ô, dia ao amin’ny fitoerana masina naorin’ny tananao, Tompo ô.
18
NY TOMPO hanjaka mandrakizay doria.
19
Fa niditra tao anaty ranomasina ny soavalin’i Farao sy ny kalesy fitondrany miady ary ny mpitaingin-tsoavaliny, ary NY TOMPO nampikatona ny ranomasina tamin’izy ireo; fa ny Zanak’Israely kosa dia nandeha tamin’ny tany maina teo afovoan’ny ranomasina.
20
Ary i Miriama mpaminanivavy, anabavin’i Arona, dia nitondra ny ampongatapaka teny an-tanany; ary nanaraka azy ny vehivavy rehetra nitondra ampongatapaka sady nandihy.
21
Ary namaly azy ireo i Miriama hoe: Mihirà ho an’NY TOMPO fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy dia nariany ao amin’ny ranomasina.
22
Ary nitondra ny Israely nifindra avy teo amoron’ny Ranomasina Mena i Mosesy ka nitarika azy ho any amin’ny tany efitra Sora, ary nandeha hateloana tany an-tany efitra ireo nefa tsy nahita rano.
23
Dia tonga tao Mara izy ireo nefa tsy nahasotro ny rano tao Mara satria nangidy ny rano tao. Izany no nanaovany ny anarany hoe Mara.
24
Ary nimonomonona tamin’i Mosesy ny olona ka niteny hoe: Inona no hosotroinay?
25
Dia nitaraina tamin’NY TOMPO i Mosesy ka nanehoan’NY TOMPO hazo iray; rehefa natsipiny tao anatin’ny rano io hazo io dia tonga mamy ny rano. Tao no nanomezan’NY TOMPO lalàna sy fitsipika ho azy ary tao no nizahany toetra azy
26
ka hoy Izy: Raha mazoto mihaino ny feon’NY TOMPO Andriamanitrao ianao ka manao izay mahitsy eo imasony sy mihaino ny lalànany ary mitandrina ny didiny rehetra dia tsy hisy hataoko aminao ireny aretina rehetra izay nataoko tamin’ny Ejiptiana ireny; fa Izaho no TOMPO izay manasitrana anao.
27
Dia tonga tao Elima izy ireo; tao no nisy loharano roa amby folo sy hazo daty fitopolo, dia nitoby teo anilan’ny rano izy.
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 16 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40