bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Galatians 1
Galatians 1
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 2 →
1
I Paoly Apostoly, tsy avy tamin’olona, na tamin’ny alalan’olona, fa tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy* sy Andriamanitra Ray izay nanangana Azy tamin’ny maty,
2
mbamin’ny rahalahy rehetra izay ato amiko, no mamangy ny fiangonana any Galatia.
3
Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompontsika
4
izay nanolotra ny tenany noho ny fahotantsika mba hanafahany antsika amin’izao vanim-potoana ratsy ankehitriny izao, araka ny sitrapon’Andriamanitra Raintsika.
5
Ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena*!
6
Gaga aho raha mifindra haingana toy izao ianareo hiala amin’izay efa niantso anareo tamin’ny fahasoavan’i Kristy* ho amin’ny Filazantsara hafa
7
izay tsy filazantsara akory, saingy misy ny manakorontana anareo ka ta hanova ny Filazantsaran’i Kristy.
8
Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy izay efa notorinay taminareo dia aoka ho voaozona izy.
9
Araka ny efa voalazanay no lazaiko indray ankehitriny: Raha misy olona mitory filazantsara hafa aminareo, afa-tsy izay efa noraisinareo, dia aoka ho voaozona izy.
10
Ary ankehitriny, olona va no ilàko sitraka sa Andriamanitra? Moa mila sitraka amin’olona va aho? Raha mbola mila sitraka amin’olona aho dia tsy mpanompon’i Kristy.
11
Fa ampahafantariko anareo, ry rahalahy, fa ny amin’ny Filazantsara izay notoriko, dia tsy araka ny fanaon’ny olona,
12
satria sady tsy nandray azy tamin’olona aho no tsy mba nampianarina, fa tamin’ny fanambaràn’i Jesosy Kristy* ihany.
13
Efa renareo ny toetrako fahiny nanoloana ny fivavahan’ny Jiosy*; nanenjika mafy ny fiangonan’Andriamanitra aho ka nandrava azy;
14
nandroso tamin’ny fivavahan’ny Jiosy koa, mihoatra noho ny maro indray mihira amiko eo amin’ny fireneko, sady tena fatra-pitana ny fampianarana voatolotry ny razako.
15
Fa rehefa sitrak’Andriamanitra, izay nanokana ahy hatrany an-kibon’Ineny sy niantso ahy tamin’ny fahasoavany,
16
ny nampiseho ny Zanany tato anatiko, mba hitoriako Azy any amin’ny Jentilisa*, niaraka tamin’izay dia tsy naka saina tamin’ny nofo aman-dra aho
17
ary tsy niakatra tany Jerosalema ho any amin’izay apostoly talohako aho, fa lasa nankany Arabia dia niverina ho any Damaskosy indray.
18
Nony afaka telo taona dia niakatra tany Jerosalema mba hifankahalala amin’i Kefasy aho ka nitoetra tao aminy nandritra ny dimy amby folo andro.
19
Nefa ny apostoly sasany dia tsy nisy hitako afa-tsy i Jakoba, rahalahin’ny Tompo.
20
Ary indro, eo anatrehan’Andriamanitra izay zavatra soratako aminareo fa tsy mandainga aho.
21
Rehefa afaka izany dia tonga tany amin’ny tany Siria sy Kilikia aho;
22
ary tsy mbola fantatry ny fiangonana any Jodia*, izay ao amin’i Kristy, ny tarehiko.
23
Fa nandre ihany izy ireo hoe: Ilay mpanenjika antsika fahiny, indro izy ankehitriny, mitory ny finoana izay noravany fahiny.
24
Dia nankalaza an’Andriamanitra noho ny amiko izy ireo.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6