bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Hebrews 1
Hebrews 1
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 2 →
1
Rehefa nampitenenin’Andriamanitra tamin’ny razana fahiny ny mpaminany tamin’ny andro samihafa sy ny fanao samihafa
2
dia amin’izao andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika ny Zanany izay voatendriny ho mpandova ny zavatra rehetra; Izy no nahariany izao tontolo izao,
3
Izy koa no famirapiratan’ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra ary mihazona ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny; rehefa nanao fanadiovana hahafaka ny fahotana Izy dia nipetraka eo ankavanan’ny Lehibe any amin’ny avo
4
ka natao tsara noho ny anjely, araka ny nandovany anarana tsara noho ireny.
5
Fa anjely iza no mba nilazany hoe: «Zanako Ianao, Izaho no niteraka Anao androany» (Sal 2.7)? Ary koa: «Izaho ho Rainy ary Izy ho Zanako» (2Sam 7.14)?
6
Ary raha mitondra ny Lahimatoa ho amin’izao fiainana izao Izy dia niteny hoe: «Ary aoka ny anjelin’Andriamanitra rehetra hiankohoka eo anoloany» (Sal 97.7).
7
Ary ny anjely dia ilazany hoe: «Manao ny anjeliny ho rivotra Izy ary ny mpanompony ho lelafo» (Sal 104.4).
8
Fa ny Zanaka kosa dia nilazany hoe: «Ny sezafiandriananao, Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria; ary ny tehin’ny fahitsiana no tehim-panjakanao.
9
Tianao ny fahamarinana fa halanao ny heloka; koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa nanosotra diloilom-pifaliana Anao mihoatra noho ny namanao» (Sal 45.6-7).
10
Ary izao koa: «Ianao, TOMPO ô, tany aloha no nanorenanao ny tany, ary asan’ny tananao ny lanitra;
11
ireo dia ho levona, fa Ianao no maharitra; ho rovitra toy ny fitafiana izy rehetra,
12
ary toy ny lamba no hamalonanao azy, dia toy ny fitafiana izay hovana; fa Ianao no tsy miova, ary ny taonanao no tsy ho tapitra» (Sal 102.25-27).
13
Fa anjely iza no mba nilazany hoe: «Mipetraha eo ankavanako, ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao»? (Sal 110.1)
14
Tsy fanahy manompo va izy rehetra, irahina hanao fanompoana ho an’izay handova famonjena?
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13