bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Isaiah 1
Isaiah 1
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 2 →
1
Ny fahitan’Isaia zanak’i Amoza, izay hitany ny amin’ny Joda sy i Jerosalema tamin’ny andron’i Ozia, i Jotama, i Ahaza ary i Hezekia, izay samy mpanjakan’ny Joda.
2
Mihainoa ry lanitra! Atongilano ny sofinao ry tany! Fa NY TOMPO no miteny hoe: Nitaiza sy nahalehibe zaza Aho, kanjo nikomy Tamiko ireo.
3
Ny omby dia mahalala ny tompony, ary ny boriky dia mahalala ny fihinanam-bilon’ny tompony; fa ny Israely no tsy mahalala, ny oloko no tsy mahazo an-tsaina.
4
Indrisy! Firenena mpanota, olona mavesa-keloka, taranaka mpanao ratsy, zanaka mpanao meloka! Nahafoy NY TOMPO izy, nanamavo ny Iray Masin’ny Israely, efa nikomy izy.
5
Nahoana no mbola te hokapohina ihany ianareo noho izao fikomianareo lalandava izao? Henika aretina ny loha manontolo ary marary ny fo manontolo.
6
Hatrany am-paladia ka hatrany an-tampon-doha dia tsy misy izay tsy marary, ratra sy dian-kapoka ary fery vao tsy voatsabo na voafehy na voalemin’ny diloilo.
7
Lao ny taninareo; voadoro tamin’ny afo ny tanànanareo; lanin’ny hafa firenena eo imasonareo ny tanimbolinareo. Lao izy, toy ny efa noravan’ny hafa firenena.
8
Nilaozana i Ziona* zanakavavy, tahaka ny trano rantsan-kazo ao anaty tanim-boaloboka sy tahaka ny trano fialofan’ny mpiandry voly ao anaty tanim-boatango, tahaka ny tanàna natao fahirano.
9
Raha tsy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no namela olona vitsivitsy tamintsika, dia efa tonga tahaka an’i Sodoma isika ary nitovy tamin’i Gomora.
10
Henoy ny tenin’NY TOMPO, ry mpitondra an’i Sodoma! Atongilano amin’ny lalànan’Andriamanitsika ny sofinareo, ry vahoakan’i Gomora!
11
Hataoko inona ny zavatra betsaka vonoinareo ho fanatitra? Hoy NY TOMPO. Efa tofoka amin’ny ondrilahy atao fanatitra dorana manontolo sy ny jaboran’ny zanak’omby mifahy Aho; tsy sitrako ny ran’ny vantotra ombilahy sy ny an’ny zanak’ondry ary ny an’ny osilahy.
12
Rehefa tonga miseho eo anatrehako ianareo, iza moa no nitady anareo hanitsakitsaka ny kianjako?
13
Aza mitondra fanati-poana intsony, fahavetavetana amiko ny fofony; ny amin’ny voaloham-bolana sy ny Sabata ary ny fiantsoam-pivoriana: Tsy zakako ny fivoriana masina haroharoam-paharatsiana!
14
Halako ny voaloham-bolanareo sy ny andro firavoravoanareo, mavesatra amiko izany; sasatra mitondra azy Aho.
15
Raha mamelatra ny tanana ianareo dia hitampi-maso tsy hijery anareo Aho; eny, na dia manao vavaka be dia be aza ianareo dia tsy hihaino Aho; Feno ran’olona ny tananareo.
16
Misasà ianareo, diovy ny tenanareo, esory tsy ho eo anoloan’ny masoko ny ratsy fanaonareo; atsaharo ny fanaovan-dratsy;
17
Mianara hanao ny tsara, katsaho ny rariny, anaro ny mpampahory, omeo rariny ny kamboty, arovy ny mpitondratena.
18
Avia ary hifandahatra isika, hoy NY TOMPO. Na dia mena toy ny jaky aza ny fahotanareo dia ho tonga fotsy tahaka ny orampanala, Na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza dia ho tonga tahaka ny volon’ondry fotsy.
19
Raha manaiky sy mankatò ianareo dia hihinana ny voka-tsoa amin’ny tany;
20
fa raha mbola mandà sy mikomy ihany ianareo dia ho lanin’ny sabatra. Ny vavan’NY TOMPO no niteny.
21
Indrisy! Tonga janga ity tanàna nahatoky! Feno ny rariny izy taloha sady nitoeran’ny fahamarinana, fa ankehitriny kosa dia mpamono olona no ao aminy!
22
Tonga tain-drendrika ny volafotsinao; voatsatso tamin’ny rano ny divainao.
23
Ireo lehibenao dia mpikomy sady naman’ny mpangalatra; samy tia kolikoly sy fatra-pitady tambitamby avokoa izy rehetra; tsy mba omeny rariny ny kamboty ary tsy avelany hoentina eo aminy ny adin’ny mpitondratena.
24
Noho izany dia hoy NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, Ilay Maherin’ny Israely: E! Hamely ny mpanohitra Ahy Aho ary hamaly faty ny fahavaloko.
25
Hamerina ny tanako ho aminao indray Aho ka hodioviko amin’ny sirahazo ianao hahafahan’ny tain-drendrikao anao; hesoriko ny firaka rehetra aminao.
26
Dia hampodiko ho toy ny teo aloha ny mpitsaranao ary ho toy ny tamin’ny voalohany ny mpanolotsainanao. Rehefa afaka izany, ianao dia hantsoina hoe Tanànan’ny fahamarinana, Tanàna mahatoky.
27
Havotana amin’ny fitsarana i Ziona* ary izay miverina ao dia havotana amin’ny fahamarinana.
28
Samy haringana avokoa ny mpikomy sy ny mpanota; eny, ho lany ritra izay mahafoy NY TOMPO.
29
Fa hahazo henatra ianareo noho ny amin’ny hazo terebinta* izay nifalianareo ary hangaihay ianareo noho ny amin’ny saha izay nofidinareo.
30
Fa ho tahaka ny hazo terebinta malazo ravina ianareo sady ho tahaka ny saha tsy misy rano.
31
Ny mahery dia ho tahaka ny vohavoha, ny asany dia ho tahaka ny kilalaon’afo; hiaraka hirehitra izy roa tonta ary tsy hisy hamono ny afo.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66