bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
James 4
James 4
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 5 →
1
Avy aiza ny ady ary avy aiza ny fifandirana eo aminareo? Moa tsy ny filanareo izay miady ao anatin’ny tenanareo va no iavian’izany?
2
Maniry zavatra ianareo nefa tsy manana; mamono olona sy mialona ianareo nefa tsy mety mahazo ihany; mifandìtra sy miady ianareo nefa tsy manana satria tsy mangataka.
3
Mangataka ianareo nefa tsy mahazo ihany satria diso fangataka fa mba holaninareo amin’ny filanareo fotsiny.
4
Ry mpijangajanga! Tsy fantatrareo va fa fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao? Koa na iza na iza te ho sakaizan’izao tontolo izao dia fahavalon’Andriamanitra izy.
5
Heverinareo va fa miteniteny foana ny Soratra Masina hoe: Ny fanahy izay nampitoeriny ato anatintsika dia iriny amin’ny fahasaro-piaro.
6
Nefa lehibe kokoa ny fahasoavana omeny, fa hoy izy hoe: «Andriamanitra dia manohitra ny mpiavonavona fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena» (Oha 3.34).
7
Koa maneke an’Andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly* dia handositra anareo izy.
8
Manatòna an’Andriamanitra dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota, ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina!
9
Oria sy mitomania ary midradradradrà! Aoka hody fitomaniana ny fihomehezanareo ary hody fanjoretana ny fifalianareo!
10
Manetre tena eo anatrehan’ny Tompo dia hanandratra anareo Izy.
11
Aza mifanaratsy, ry rahalahy. Izay manaratsy ny rahalahiny na mitsara ny rahalahiny dia manaratsy ny lalàna sy mitsara ny lalàna; fa raha mitsara ny lalàna ianao dia tsy mpankato ny lalàna fa mpitsara.
12
Iray ihany no Mpanome lalàna sy Mpitsara, dia Ilay mahavonjy sy mahavery; fa iza moa ianao no mitsara ny namanao?
13
E! Ianareo izay miteny hoe: Anio na ampitso dia hankany Ananona izahay ary hitoetra any herintaona ka hividy sy hivarotra dia hahazo tombom-barotra;
14
kanefa tsy mahalala ny ho ampitso ianareo! Inona moa ny ainareo? Fa zavona ihany ianareo; miseho vetivety dia levona.
15
Fa aleo miteny hoe: Raha sitrapon’ny Tompo ka velona izahay dia hataonay izao na izany.
16
Fa izao, mirehareha amin’ny fahasahianareo ianareo. Ratsy ny fireharehana rehetra toy izany.
17
Koa izay mahalala hanao soa nefa tsy manao soa dia heloka ho azy izany.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5