bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Jeremiah 39
Jeremiah 39
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 38
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 40 →
1
Tamin’ny volana fahafolo tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, no nahatongavan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, sy ny miaramilany rehetra, hamely an’i Jerosalema ka nanao fahirano azy.
2
Tamin’ny andro fahasivy tamin’ny volana fahefatra, tamin’ny taona fahiraika amby folo nanjakan’i Zedekia dia nisy voabanga ny tanàna,
3
dia niditra ny mpanapaky ny mpanjakan’i Babilona rehetra ka nipetraka teo amin’ny vavahady afovoany, dia i Nergala-Sarezera, i Samgara-Nebo, i Sara-Sekima, Raba-Sarisa, i Nergala-Sarezera, ary Raba-Magy, mbamin’ny sisa rehetra amin’ny mpanapaky ny mpanjakan’i Babilona.
4
Ary rehefa nahita ireo i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, sy ny miaramilany rehetra, dia nandositra ka lasa nandeha alina niala tao an-tanàna, nahazo ny lalana mankany amin’ny sahan’ny mpanjaka, tamin’ny vavahady eo anelanelan’ny manda roa; ary lasa nivoaka nankany amin’ny lalana mankeny amin’ny tany ngazana izy.
5
Nanenjika azy anefa ny miaramilan’ny Kaldeana ka nahatratra an’i Zedekia teny amin’ny tany ngazana any Jeriko; ary nony azony izy dia noentiny niakatra ho any amin’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, tao Ribla tao amin’ny tany Hamata; dia notsarainy tao izy.
6
Ary ny zanakalahin’i Zedekia dia novonoin’ny mpanjakan’i Babilona tao Ribla teo imason’ny rainy; ny manankaja rehetra tamin’ny Joda koa dia novonoin’ny mpanjakan’i Babilona.
7
Nopotsiriny ny mason’i Zedekia, dia nafatony tamin’ny gadra varahina izy hoentiny any Babilona.
8
Nodoran’ny Kaldeana tamin’ny afo ny tranon’ny mpanjaka sy ny tranon’ny vahoaka, ary noravany ny mandan’i Jerosalema.
9
Ary ny olona sisa tao an-tanàna sy izay efa nanatona azy ary ny vahoaka sisa koa dia noentin’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, ho babo tany Babilona.
10
Na izany aza, ny olona mahantra sasantsasany izay tsy nanana na inona na inona kosa dia nisy ihany ny navelan’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, tao amin’ny tanin’ny Joda sady nomeny tanim-boaloboka sy tanimboly tamin’io andro io ihany.
11
Ary i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, dia nanome teny an’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, ny amin’i Jeremia hoe:
12
Ento izy ka tandremo tsara, fa aza asian-dratsy; fa araka izay lazainy aminao no tanteraho aminy.
13
Ary i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, i Nebosazbana, i Raba-Sarisa, i Nergala-Sarezera, i Raba-Magy ary ny mpanapaky ny mpanjakan’i Babilona rehetra,
14
dia nandefa iraka haka an’i Jeremia teo amin’ny kianjan’ny trano fiambenana ka nanolotra azy an’i Gedalia, zanak’i Ahikama, zanak’i Safana, mba hoentiny any an-trano; dia niara-nitoetra tamin’ny olona tamin’izay izy.
15
Tonga tamin’i Jeremia ny tenin’NY TOMPO, fony izy mbola voatazona tao amin’ny kianjan’ny trano fiambenana ihany hoe:
16
Mandehana ka lazao amin’i Ebeda-Meleka kosita hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Indro, hotoviko amin’ity tanàna ity ny teniko hahatonga loza, fa tsy soa; ary ho tanteraka eo imasonao ireo amin’izany andro izany.
17
Nefa hovonjeko ianao amin’izany andro izany, hoy NY TOMPO, fa tsy mba hatolotra eo an-tanan’ny olona izay atahoranao.
18
Fa hovonjeko tokoa ianao ka tsy ho lavon-tsabatra; eny, ny ainao no ho babonao, satria natoky Ahy ianao, hoy NY TOMPO.
← Chapter 38
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 40 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52