bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Lamentations 5
Lamentations 5
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
1
TOMPO ô, tsarovy izay nanjo anay; hevero sy diniho ny latsa mahazo anay.
2
Ny lovanay dia afindra ho an’ny vahiny, ary ny tranonay dia ho an’ny olona tsy fantatra.
3
Efa kamboty izahay ka tsy manan-dray, ny reninay dia toy ny mpitondratena.
4
Na ny loharanonay aza dia andoavanay vola vao azonay isotroana, ary ny kitainay koa dia vidinay vao azo.
5
Noraisin’ireo nanenjika anay tamin’ny hatokay izahay; reraka izahay nefa tsy manam-pitsaharana.
6
Nanolo-tanana tamin’ny Ejiptiana sy ny Asiriana izahay mba ho voky mofo.
7
Nanota ny razanay; tsy etỳ intsony izy ireo; ary izahay no mivesatra ny helony.
8
Andevo no mifehy anay; tsy misy manafaka anay amin’ny tanany.
9
Noho ny sabatra mamely any an-tany efitra dia manao vy very ny ainay izahay vao mahazo hanina.
10
Mahamay toy ny fatana ny hoditray noho ny fivaivain’ny mosary.
11
Nosavihina ny vehivavy tao Ziona* sy ny virijiny tao amin’ny tanànan’ny Joda.
12
Nahantona tamin’ny tanany ny lehibe ary tsy mba nohajaina ny antitra.
13
Ny zatovo dia nitondra ny fikosoham-bary ary ny ankizy madinika dia nivembena nitondra ny kitay.
14
Ny loholona dia tsy misy eo am-bavahady ary ny zatovo dia tsy mitendry zavamaneno intsony.
15
Ny hafalian’ny fonay dia nitsahatra ary ny dihinay dia niova ho fitomaniana.
16
Efa afaka ny satroboninahitra tamin’ny lohanay; idiran-doza izahay fa efa nanota!
17
Noho izany dia reraka ny fonay; eny, noho izany dia maizina ny masonay,
18
noho ny amin’ny tendrombohitra Ziona izay efa lao sady ikarenjen’ny amboahaolo.
19
TOMPO ô, Ianao no mipetraka mandrakizay; eny, ny sezafiandriananao no maharitra hatramin’ny taranaka fara aman-dimby.
20
Ahoana no dia anadinoanao anay mandrakariva sy ahafoizanao anay andro lava?
21
TOMPO ô, ampivereno aminao izahay mba hiverenanay; havaozy ho toy ny fahiny ny andronay.
22
Moa dia nanary anay tokoa va Ianao sady tezitra mafy aminay?
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
All chapters:
1
2
3
4
5