bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Nahum 1
Nahum 1
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 2 →
1
Faminaniana ny amin’ny loza hanjo an’i Ninive, dia ny bokin’ny fahitan’i Nahoma elkosita.
2
Andriamanitra saro-piaro sy mamaly heloka NY TOMPO; NY TOMPO dia mpamaly heloka sady feno fahatezerana; NY TOMPO dia mpamaly ny rafilahiny ary mitahiry fahatezerana hamelezany ny fahavalony.
3
Mahari-po NY TOMPO sady be hery ary tsy mety manamarina ny meloka. Ao anatin’ny tadio sy ny tafio-drivotra no lalan’NY TOMPO; ny rahona dia vovoka avy amin’ny dian-tongony.
4
Miteny mafy ny ranomasina Izy ka mahatankina azy sady mandritra ny ony rehetra; malazo i Basana sy i Karmela ary malazo koa ny vonin’i Libanona.
5
Mihovotrovotra eo anatrehany ny tendrombohitra sady mihotsaka ny havoana; mihorohoro eo anatrehany koa ny tany, dia ny tany onenana sy ny mponina rehetra ao aminy.
6
Iza no mahajoro eo anoloan’ny fahavinirany? Ary iza no mahatanty ny firehitry ny fahatezerany? Aidina toy ny afo ny fahatezerany ary mirodana eo anoloany ny vatolampy.
7
Tsara NY TOMPO, fialofana amin’ny andro fahoriana; mahalala izay mialoka aminy Izy.
8
Fa amin’ny riaka manafotra no anatanterahany fandringanana amin’io toerana io, ary ny fahavalony dia henjehiny ho any amin’ny maizina.
9
Inona no heverinareo hoenti-manohitra NY TOMPO? Fandringanana no hataony, tsy hiverina fanindroany ny fahoriana.
10
Fa na dia toy ny tsilo mifamatopatotra aza ireny sady mamon’ny zava-pisotrony dia ho levona tanteraka toy ny mololo maina izy.
11
Avy tao aminao no nivoahan’ny iray izay misain-dratsy hoenti-manohitra NY TOMPO sady mamoron-kevi-dratsy.
12
Izao no lazain’NY TOMPO: Na dia tsy latsaka isa fa mbola maro aza ireny dia hofongorana ihany izy ka tsy hisy intsony. Efa nampahory anao Aho ka tsy hampahory anao intsony.
13
Fa ankehitriny, hopotehiko ny ziogany ho afaka aminao ary hotapahiko ny famatorana anao.
14
Ary NY TOMPO efa nandidy ny aminao hoe: Tsy hisy intsony taranaka hamelo-maso ny anaranao; halaiko tsy ho ao amin’ny tranon’ny andriamanitrao ny sarin-javatra voasokitra sy ny sarin-javatra voarendrika; hanao fasana ho anao Aho satria hita fa latsa-danja ianao.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3