bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Obadiah 1
Obadiah 1
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Jump to:
Chapter 1
1
Ny fahitan’i Obadia. Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra ny amin’i Edoma: Nahare filazana avy tamin’NY TOMPO izahay, ary nisy iraka nalefa ho any amin’ny firenena hilaza hoe: Mitsangàna! Aoka isika hitsangana hanafika azy!
2
Indro, hataoko tsinontsinona eo amin’ny firenena ianao, eny, ho tena fanazimbazimba ianao.
3
Ny avonavon’ny fonao no namitaka anao, ry ilay monina eny an-tsefatsefaky ny harambato, any amin’ny fonenana avo, sady miteny anakampo hoe: Iza no hampivarina ahy ho eny an-tany?
4
Na dia miakatra tahaka ny voromahery aza ianao ka mametraka ny akaninao eny amin’ny kintana dia havariko avy eny ianao, hoy NY TOMPO.
5
Raha toa misy mpangalatra, na jiolahy amin’ny alina, tonga ao aminao, dia tsy hihetsika va ianao? Moa tsy izay hahafapo azy va no hangalariny? Ary raha toa misy mpioty voaloboka tonga ao aminao, moa tsy ambinambina voaloboka ihany va no havelany hotsimponinao?
6
Endre ny fitady an’i Esao! Endre ny fikatsaka ny harenany miafina.
7
Ny olona rehetra izay vita fanekena taminao no nandroaka anao hatrany amin’ny sisintany; izay tsara fihavanana aminao no namitaka ka naharesy anao; izay mihinana ny haninao no nanao vela-pandrika ao ambaninao. Tsy misy fisainana intsony ao aminy.
8
Moa tsy amin’izany andro izany va, hoy NY TOMPO, no hamongorako ny olon-kendry any Edoma sy hamongorako ny manan-tsaina any amin’ny tendrombohitr’i Esao?
9
Ho raiki-tahotra ny lehilahy maherinao, ry Temana, ary ho ringana sy ho foana ny olona rehetra any amin’ny tendrombohitr’i Esao.
10
Noho ny fampahoriana an’i Jakoba rahalahinao dia ho voasaron-kenatra ianao ka ho fongotra mandrakizay.
11
Tamin’ilay andro namitsahanao teny ampita, tamin’ny andro namaboan’ny vahiny ny fananany sy nidiran’ny hafa firenena teo amin’ny vavahadiny ary nanaovany antsapaka an’i Jerosalema, dia mba toy ny iray tamin’ireny koa ianao.
12
Aza finaritra mijery ny andron’ny rahalahinao amin’ny andro ahitany loza; aza mifaly ny amin’ny taranak’i Joda amin’ny andro andringanana azy; aza manao teny miavonavona amin’ny andro fahoriana.
13
Aza miditra amin’ny vavahadin’ny oloko ianao amin’ny andro ahitany loza; aza finaritra mijery ny fahantrany ianao amin’ny andro ahitany loza; aza manatsotra tanana haka ny fananany ianao amin’ny andro ahitany loza.
14
Aza mamitsaka eo amin’ny sampanan-dalana hamono izay afa-nandositra ianao, ary aza manolotra izay sisa velona aminy ianao amin’ny andro fahoriana.
15
Fa efa antomotra ny Andron’NY TOMPO amin’ny firenena rehetra; toy ny nataonao no mba hatao aminao kosa; eny, hitsingerina ho eo an-dohanao ny nataonao.
16
Fa toy ny nisotroanareo teo an-tendrombohitra masina, dia toy izany koa no hisotroan’ny firenena rehetra mandrakariva, eny, hisotro izy ka hitelina, ary ho toy ny tsy ary izy.
17
Fa ao an-tendrombohitra Ziona* dia hisy izay sisa afaka, ho fitoerana masina indray izany; ary horaisin’ny taranak’i Jakoba indray ny fananany.
18
Ho afo ny taranak’i Jakoba ary ho lelafo ny taranak’i Josefa, fa ny taranak’i Esao kosa dia ho mololo ary harehitr’ireny izy ka holevoniny; tsy hisy sisa velona ny taranak’i Esao satria NY TOMPO no efa niteny.
19
Ny any Negeva no hahazo ny tendrombohitr’i Esao; ary ny any Sefela no hahazo ny an’ny Filistina; hahazo ny tanin’i Efraima sy ny tany Samaria izy; ary i Benjamina dia hahazo an’i Gileada.
20
Ary ny babo amin’izao Zanak’Israely maro be izao dia hahazo ny Kananita hatrany Zarefata, ary ny babo tany Jerosalema, izay any Sefarada, dia hahazo ny tanàna any Negeva.
21
Ary hisy mpanafaka maro hiakatra ao an-tendrombohitra Ziona* hitsara ny tendrombohitr’i Esao; ary ho an’NY TOMPO ny fanjakana.
Jump to:
Chapter 1
All chapters:
1