bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
malagasy
/
1 Samuel 7
1 Samuel 7
malagasy
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 8 →
1
Dia tonga teo ny mponina tao Kiriata-jearima ka nitondra ny fiaran'i Jehovah niakatra, dia nitondra azy ho ao an-tranon'i Abinadaba teo an-kavoana, ary nanamasina an'i Eleazara zanany mba hitandrina ny fiaran'i Jehovah izy.[Na: Gebea]
2
[Ny nampibebahan'i Samoela ny Isiraely, sy ny nandreseny ny Filistina, ary ny nitsaran'i Samoela ny Isiraely] Ary hatramin'izany andro izany dia nitoetra ela tany Kiriata-jearima ny fiaran'i Jehovah, dia roa-polo taona; ary ny taranak'Isiraely rehetra nalahelo an'i Jehovah.[Na: nivory ho eo amin'i Jehovah]
3
Ary hoy Samoela tamin'ny taranak'Isiraely rehetra: Raha miverina amin'i Jehovah amin'ny fonareo rehetra tokoa ary ianareo, dia ario hiala aminareo ny andriamani-kafa sy ireo Astarta, ka ampiomany ny fonareo ho an'i Jehovah, ary aoka Izy ihany no hotompoinareo, dia hamonjy anareo amin'ny tanan'ny Filistina Izy.
4
Dia nanary ireo Bala sy Astarta ny Zanak'Isiraely ka nanompo an'i Jehovah irery ihany.
5
Ary hoy Samoela: Vorio ny Isiraely rehetra ho any Mizpa, dia hivavaka amin'i Jehovah ho anareo aho.
6
Dia nivory tany Mizpa izy ary nanovo rano ka nandraraka izany teo anatrehan'i Jehovah, sady nifady hanina tamin'izany andro izany izy ka nanao hoe: Efa nanota tamin'i Jehovah isika. Ary Samoela nitsara ny Zanak'Isiraely tany Mizpa.
7
Ary rehefa ren'ny Filistina fa efa vory tany Mizpa ny Zanak'Isiraely, dia niakatra hamely azy ireo andrianan'ny Filistina. Ary nony nandre izany ny Zanak'Isiraely, dia raiki-tahotra izy noho ny Filistina.
8
Dia hoy ny Zanak'Isiraely tamin'i Samoela: Aza mitsahatra mitaraina amin'i Jehovah Andriamanitsika ho anay ianao, mba hamonjeny anay amin'ny tanan'ny Filistina.
9
Dia naka zanak'ondry mbola minono Samoela ka nanatitra azy ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah; dia nitaraina tamin'i Jehovah ho an'ny Isiraely Samoela, ary nihaino azy Jehovah.
10
Ary raha mbola nanatitra ny fanatitra dorana Samoela, dia nanatona ny Filistina hiady amin'ny Isiraely; fa Jehovah nampikotrokorana mafy tamin'ny Filistina tamin'izany andro izany ka nampifanaritaka azy, dia resy teo anoloan'ny Isiraely izy.
11
Ary ny lehilahy amin'ny Isiraely niala tany Mizpa, dia nanenjika ny Filistina ka namely azy mandra-pahatongany teo ambanin'i Beti-kara.
12
Ary Samoela naka vato ka nanorina azy teo anelanelan'i Mizpa sy Sena, ary ny anarany nataony hoe Ebenezera; fa hoy izy: Efa novonjen'i Jehovah isika hatramin'izao.[Ebnezera = Vato famonjena]
13
Dia resy ny Filistina ka tsy tafiditra teo anatin'ny fari-tanin'ny Isiraely intsony; ary ny tànan'i Jehovah namely ny Filistina tamin'ny andro rehetra niainan'i Samoela.
14
Ary ny tanàna izay efa nalain'ny Filistina tamin'ny Isiraely dia azon'ny Isiraely indray, hatrany Ekrona ka hatrany Gata; ary ny faritanin'ireo dia nalain'ny Isiraely tamin'ny tanan'ny Filistina koa. Ary nihavana ny Isiraely sy ny Amorita.
15
Ary Samoela nitsara ny Isiraely tamin'ny andro rehetra niainany.
16
Ary nandeha isan-taona isan-taona izy nitety any Betela sy Gilgala ary Mizpa ka nitsara ny Isiraely teo amin'ireo tanàna rehetra ireo.Dia niverina ho any Rama indray izy, fa tao ny tranony; ary nitsara ny Isiraely tao izy sady nanorina alitara tao ho an'i Jehovah.
17
Dia niverina ho any Rama indray izy, fa tao ny tranony; ary nitsara ny Isiraely tao izy sady nanorina alitara tao ho an'i Jehovah.
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31