bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
malagasy
/
Exodus 13
Exodus 13
malagasy
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 14 →
1
[Ny nanokanana ny lahimatoa ho an'i Jehovah] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2
Hamasino ho Ahy ny lahimatoa rehetra, dia izay voalohan-teraka rehetra eo amin'ny Zanak'Isiraely, na olona na biby fiompy: Ahy ireny.
3
Dia hoy Mosesy tamin'ny olona: Tsarovy izao andro izao, izay nivoahanareo avy tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana, fa tamin'ny tanana mahery no nitondran'i Jehovah anareo nivoaka avy tany; koa aza misy mihinana izay misy masirasira.
4
Izao andro amin'ny volana Abiba izao no ivoahanareo
5
Ary raha hitondra anao Jehovah ho any amin'ny tanin'ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Hivita ary ny Jebosita, izay nianianany tamin'ny razanao homena anao, dia tany tondra-dronono sy tantely, dia hanao izany fanompoana izany ianao amin'izao volana izao.
6
Hafitoana no hihinananao mofo tsy misy masirasira, ary amin'ny andro fahafito dia hisy andro firavoravoana ho an'i Jehovah.
7
Ny mofo tsy misy masirasira hohanina mandritra ny hafitoana; ary tsy hisy eo aminao izay mofo misy masirasira, ary tsy hisy izay masirasira akory ao aminao eny amin'ny taninao rehetra.
8
Dia hambaranao amin'ny zanakao amin'izany andro izany hoe: Noho ny nataon'i Jehovah tamiko tamin'ny nivoahako avy tany Egypta no anaovako izao.
9
Dia ho famantarana ho anao eo amin'ny tananao ary ho fampahatsiarovana eo ambonin'ny handrinao izany, mba ho ao am-bavanao ny lalàn'i Jehovah: fa tanana mahery no nitondran'i Jehovah anao nivoaka avy tany Egypta.
10
Dia tandremo amin'ny fotoany isan-taona izao lalàna izao.
11
Ary raha hitondra anao Jehovah ho any amin'ny tanin'ny Kananita araka izay nianianany taminao sy ny razanao, ka homeny anao izany,
12
dia hatokanao ho an'i Jehovah izay voalohan-teraka rehetra: ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra izay anananao, dia ho an'i Jehovah ny lahy rehetra;
13
ary ny voalohan-teraky ny boriky dia hosoloanao zanak'ondry; fa raha tsy hanolo azy ianao, dia hofolahinao ny vozony; ary ny lahimatoa rehetra amin'ny olona eo amin'ny zanakao dia havotanao.
14
Ary raha hanontany anao ny zanakao amin'ny andro ho avy ka hanao hoe: Inona no anton'izao? dia holazainao aminy hoe: Tanana mahery no nitondran'i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana;
15
ary raha nanamafy ny fony ka tsy nandefa antsika Farao, dia novonoin'i Jehovah ny lahimatoa rehetra tany amin'ny tany Egypta, hatramin'ny lahimatoan'ny olona ka hatramin'ny voalohan-teraky ny biby; koa izany no anaterako ho an'i Jehovah ny lahy voalohan-teraka rehetra, fa ny lahimatoa rehetra amin'ny zanako dia soloako.
16
Ary ho famantarana eo amin'ny tananao sy ho fehy eo ambonin'ny handrinao izany; fa tanana mahery no nitondran'i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta.
17
[Ny lalana nitondran'Andriamanitra ny Zanak'Isiraely, sy ny namakiany ny Ranomasina Mena] Ary rehefa nalefan'i Farao ny olona, dia tsy mba nentin'Andriamanitra tamin'ny lalana nankany amin'ny tanin'ny Filistina izy, na dia akaiky aza izany; fa hoy Andriamanitra: Andrao hanenina ny olona, raha mahita ady, ka hiverina any Egypta.
18
Fa nentin'Andriamanitra nivily ho amin'ny lalana mahazo any an-efitra amoron'ny Ranomasina Mena ny olona; ary voaomana hiady ny fiakatry ny Zanak'Isiraely avy tany amin'ny tany Egypta.
19
Ary nentin'i Mosesy niaraka taminy ny taolan'i Josefa, satria Josefa efa nampianiana dia nampianiana ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra, dia hitondra ny taolako hiala atỳ miaraka aminareo ianareo.
20
Dia nifindra niala tao Sokota izy ka nitoby tao Etama teo an-tsisin'ny efitra.
21
Ary Jehovah nandeha teo alohany tamin'ny andri-rahona raha antoandro hitari-dalana azy, ary tamin'ny andri-afo nony alina ho fahazavana ho azy, handehanany andro aman'alina.Ny andri-rahona tsy niala teo alohan'ny olona raha antoandro, na ny andri-afo nony alina.
22
Ny andri-rahona tsy niala teo alohan'ny olona raha antoandro, na ny andri-afo nony alina.
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40