bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
malagasy
/
Ezekiel 10
Ezekiel 10
malagasy
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 11 →
1
[Fahitana ny amin'ny handoroana an'i Jerosalema, sy ny hialan'ny voninahitr'i Jehovah aminy] Ary hitako fa, indro, teo ambonin'ny eloelo izay teo ambonin'ny lohan'ny kerobima dia nisy tahaka ny vato safira; tahaka ny endriky ny seza fiandrianana no fijery azy; ary Jehovah niseho teo amboniny. [Heb. Izy]
2
Ary niteny tamin-dralehilahy nitafy rongony fotsy Izy nanao hoe: Midira eo anelanelan'ny kodia, dia eo ambanin'ny kerobima, ary fenoy vain'afo avy eo anelanelan'ny kerobima ny tananao roa, ka afafazo amin'ny tanàna izany. Dia niditra teo imasoko izy.
3
Ary ny kerobima nitsangana teo amin'ny ankavanan'ny trano, raha niditra ralehilahy; ary feno ilay rahona ny kianja anatiny.
4
Dia niakatra niala teo amin'ny kerobima ny voninahitr'i Jehovah ho eo amin'ny tokonam-baravaran'ny trano; ary feno ilay rahona ny trano, ary ny kianja dia feno ny famirapiratan'ny voninahitr'i Jehovah.
5
Ary ny fikopakopaky ny elatry ny kerobima dia re hatrany amin'ny kianja ivelany, toy ny feon'Andriamanitra Tsitoha, raha miteny.
6
Ary rehefa nodidiany ralehilahy nitafy rongony fotsy, nataony hoe: Manalà afo avy eo analenelan'ny kodia, eo anelanelan'ny kerobima, dia niditra izy ka nitsangana teo anilan'ny kodia.
7
Ary ny kerobima anankiray naninjitra ny tànany avy teo anelanelan'ny kerobima, tamin'ny afo Izay teo anelanelan'ny kerobima, dia nangalany ka nataony teny amin'ny tànan-droan'ilay nitafy rongony fotsy; ary rehefa nandray izany ralehilahy, dia nivoaka.
8
Ary nisy nitarehin-tànan'olona niseho teo ambanin'ny elatry ny kerobima.
9
Ary hitako fa, indreo, nisy kodia efatra teo anilan'ny kerobima, dia kodia iray avy teo anilan'ny isan-kerobima; ary ny tarehin'ny kodia dia toy ny volon'ny vato krysolita.
10
Ary izy efatra dia nitovy tarehy, toy ny kodia anatin'ny kodia.
11
Raha nandeha izy, dia nandeha tamin'ny hitsin'ny lafiny efatra; tsy niherika izy raha nandeha, fa tamin'ny hitsin'izay natrehin'ny lohany ihany no nalehany; tsy niherika izy raha nandeha.
12
Ary feno maso manodidina ny tenany rehetra sy ny lamosiny sy ny tànany sy ny elany mbamin'ny kodia; izy efatra dia samy nisy kodia avokoa.[Heb. nofony]
13
Ny amin'ny kodia dia reko nisy niantso azy hoe: Ry kodia![Na: Mikodiadiava!]
14
Ary samy nanana tarehy efatra avy izy: ny tarehin'ny voalohany dia nitarehin-kerobima, ary ny tarehin'ny faharoa dia nitarehin'olona, ary ny fahatelo nitarehin-diona, ary ny fahefatra nitarehim-boromahery.
15
Ary niakatra ny kerobima. Izany dia ilay zava-manan'aina hitako teo amoron'ny ony Kebara ihany.
16
Ary raha nandeha ny kerobima, dia mba nandeha teo anilany koa ny kodia; ary raha nasandratry ny kerobima ny elany hiainga tsy hipaka amin'ny tany, dia tsy nisaraka taminy koa ny kodia.
17
Raha nijanona izy, dia mba nijanona koa ireo, ary raha niainga izy, dia mba niainga koa ireo: fa ny fanahin'ny zava-manan'aina no tao aminy.
18
Dia niala avy teo ambonin'ny tokonambaravaran'ny trano ny voninahitr'i Jehovah ka nijanona teo ambonin'ny kerobima.
19
Ary nasandratry ny kerobima ny elany, ka niainga tsy nipaka tamin'ny tany teo imasoko izy, raha nivoaka, ary teo anilany ny kodia ary samy nijanona teo anoloan'ny vavahady atsinanana amin'ny tranon'i Jehovah izy ireo; ary ny voninahitr'Andriamanitry ny Isiraely no teo amboniny.
20
Izany dia ilay zava-manan'aina hitako teo ambanin'Andriamanitry ny Isiraely teo amoron'ny ony Kebara; ary fantatro fa kerobima ireo.
21
Samy nanana tarehy efatra avy izy, sady samy nanana elatra efatra avy koa; ary nisy nitarehin-tànan'olona teo ambanin'ny elany.Ary ny endriky ny tarehiny dia nitovy tamin'ilay efa hitako teo amoron'ny ony Kebara ihany, dia ny endriny sy ny tenany; ary ny hitsin'ny tavany no nalehany.
22
Ary ny endriky ny tarehiny dia nitovy tamin'ilay efa hitako teo amoron'ny ony Kebara ihany, dia ny endriny sy ny tenany; ary ny hitsin'ny tavany no nalehany.
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48