bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
malagasy
/
Hosea 11
Hosea 11
malagasy
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 12 →
1
[Ny hamindran'i Jehovah fo amin'ny Isiraely, na dia be aza ny helony] Fony mbola zaza Isiraely, dia tiako izy, ary nantsoiko hiala tany Egypta ny zanako.
2
Nony nisy niantso azy, dia vao mainka nandositra ireny izy; Ho an'ireo Bala kosa no amonoany zavatra hatao fanatitra, ary ho an'ny sarin-javatra voasokitra no andoroany ditin-kazo manitra.
3
Fa Izaho no nampianatra an'i Efraima handeha. Eny, notrotroiko tamin'ny sandriko aza izy. Nefa tsy fantany fa Izaho no nahasitrana azy. [Heb. notrotroiny tamin'ny sandriny]
4
Tamin'ny kofehy fitarihana olona no nitarihako azy, dia tamin'ny mahazakan'ny fitiavana; Ary efa toy izay manainga ny fehim-bava eo ambonin'ny valanoranony Aho ka nanolo-kanina azy tsimoramora.[Heb. zioga]
5
Tsy hiverina ho any amin'ny tany Egypta izy, fa Asyria no ho mpanjakany, satria tsy nety nibebaka izy.
6
Ary noho ny fisainany dia hisy sabatra hantsodina ao an-tanànany ka handrava sy handevona ny hidiny.
7
Minia miodina amiko ny oloko; Ary na dia antsoiny ho amin'ny Avo aza izy, samy tsy mety miainga akory.
8
Hataoko ahoana e no fahafoy anao, ry Efraima, na ho fanolotra anao, ry Isiraely! Hataoko ahoana e no fanao anao ho tahaka an'i Adma! Hataoko ahoana e no fametraka anao ho tahaka an'i Zeboima! Onena ny foko, mafy loatra ny alaheloko.
9
Tsy hanontolo fo Aho, na handringana an'i Efraima intsony; Fa Andriamanitra Aho, fa tsy olona, dia ny Iray Masina ao aminao, ka dia tsy ho avy amim-pahatezerana mirehitra Aho.[Na: tsy hiditra ao an-tanàna Aho]
10
Harahin'ireny Jehovah, hierona toy ny liona Izy; Eny, Izy no hierona, dia hanatona amin-kovitra avy any andrefana ny zanaka.Hanatona amin-kovitra avy any Egypta toy ny voronkely izy, ary avy any amin'ny tany Asyria toy ny voromailala; Ka dia hampitoeriko ao an-tranony izy, hoy Jehovah.
11
Hanatona amin-kovitra avy any Egypta toy ny voronkely izy, ary avy any amin'ny tany Asyria toy ny voromailala; Ka dia hampitoeriko ao an-tranony izy, hoy Jehovah.
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 12 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14