bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
malagasy
/
Jeremiah 22
Jeremiah 22
malagasy
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 23 →
1
[Anatra mafy noho ny faharatsian'ny mpanjakan'ny Joda] Izao no lazain'i Jehovah: Midina any amin'ny tranon'ny mpanjakan'ny Joda, ka lazao any izao teny izao hoe:
2
Henoy ny tenin'i Jehovah, ry mpanjakan'ny Joda, izay mipetraka amin'ny seza fiandrianan'i Davida, dia ianao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao izay miditra amin'ireto vavahady ireto:
3
Izao no lazain'i Jehovah: Manaova fitsarana sy fahamarinana ianareo, ka afaho amin'ny tanan'ny mpampahory ny olona voaroba; ary aza mampahory na mampidi-doza amin'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena, ary aza mandatsaka rà marina amin'ity fitoerana ity.
4
Fa raha mankatò izany teny izany tokoa ianareo, dia hisy mpanjaka mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida hiditra amin'ity vavahady ity mitaingin-kalesy sy soavaly, dia izy sy ny mpanompony ary ny vahoakany.
5
Fa raha tsy hihaino izany teny izany kosa ianareo, dia ny tenako no ianianako, hoy Jehovah, fa ho lao tokoa ity trano ity.
6
Fa izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mpanjakan'ny Joda sy ny mpianakaviny: Tahaka an'i Gileada sy ny tampon'i Libanona amiko ianao, nefa hataoko tonga efitra sy tanàna tsy onenana.
7
Ary hanendry mpandrava hamely anao Aho, Izay samy hitondra ny fiadiany avy; Dia hokapain'ireo ny sederanao voafantina ka hariany ao anaty afo.[heb. hanamasina]
8
Ary firenena maro no handalo ity tanàna ity, ka samy hanao amin'ny namany avy hoe: Nahoana Jehovah no dia nanao izao tamin'ity tanàna lehibe ity?
9
Dia hovaliana hoe: Noho ny nahafoizany ny faneken'i Jehovah Andriamaniny sy ny nivavahany tamin'andriamani-kafa sy ny nanompoany ireny.
10
Aza mitomany ny maty ianareo, na misaona azy; Mitomania dia mitomania noho ilay efa lasan-ko babo; Fa tsy hiverina intsony izy, na hahita ny tany nahaterahany.
11
Fa izao no lazain'i Jehovah ny amin'i Saloma, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, dia ilay nanjaka nandimby an'i Josia rainy, saingy efa niala tamin'ity tany ity: Tsy hiverina atỳ intsony izy,
12
Fa ho faty any amin'ny tany izay nitondrana azy ho babo ka tsy hahita ity tany ity intsony.
13
Lozan'izay manorina ny tranony amin'ny tsy rariny sy ny ati-tranony ambony amin'ny fitaka ka mampiasa maina ny namany, fa tsy mandoa ny karamany,
14
Sady manao hoe: Hanao trano lehibe ho ahy aho sy ati-trano ambony malalaka, ary holoahany hisy varavarankely sady hasiany valin-drihana sedera sy hohosorana loko mena.
15
Moa dia ho mpanjaka ianao, saingy ataonao be sedera noho ny an'ny sasany ny tranonao? Tsy efa nihinana sy nisotro va rainao sady nanao fitsarana sy fahamarinana? Tamin'izany dia nambinina izy.
16
Nitsara ny tenin'ny ory sy ny malahelo izy; Tamin'izany dia nambinina izy. Tsy izany va no fahalalana Ahy? hoy Jehovah.
17
Nefa tsy misy alehan'ny masonao sy ny eritreritrao afa-tsy ny filan-karena ihany sy ny fandatsahana rà marina ary ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny.
18
Ary noho izany dia izao no lazain'i Jehovah ny amin'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda: Ny olona tsy hisaona azy hoe: Indrisy, tompokolahy! na: Indrisy, tompokovavy! Ny olona tsy hitomany azy hoe: Indrisy, tompoko! na: Indrisy ny voninahiny!
19
Halevina toy ny fandevina boriky izy, ka hotaritarihina sy hariana any ivelan'ny vavahadin'i Jerosalema.
20
Miakara any Libanona, ka mitaraina; Dia asandrato any Basana ny feonao, ary mitaraina any Abarima; Fa ringana avokoa ireo tia anao.
21
Efa niteny taminao Aho, fony ianao mbola nipetraka tsy nanana ahiahy; Nefa hoy ianao: Izaho tsy hihaino. Fanaonao hatry ny fony ianao mbola tanora ny tsy mihaino ny teniko.
22
Ny mpitondra anao rehetra ho paohin'ny rivotra, ary ireo tia anao ho lasan-ko babo, eny, ho menatra sy hangaihay tokoa ianao noho ny haratsianao rehetra.[Heb. mpiandry ondry]
23
Ry ilay mponina any Libanona, izay manao ny akaninao eny amin'ny sedera, indrisy ny fisentoanao, raha iharan'ny faharariana ianao, toy ny fanaintainan'ny vehivavy raha miteraka![Na: fahantranao]
24
Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, na dia ho peratra fanombohan-kase amin'ny tanako ankavanana aza ianao, ry Jekonia, zanak'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, dia hotsoahako hiala eo ianao,
25
Ka hatolotro eo an-tànan'izay mitady ny ainao sy eo an-tànan'izay atahoranao, dia eo an-tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy eo amin'ny tanan'ny Kaldeana.
26
Ary ianao sy ny reninao niteraka anao dia hariako any an-tany hafa izay tsy nahaterahanareo, ka any no hahafatesanareo.
27
Fa ny tany iriny hiverenana dia tsy hiverenany.
28
Moa ity lehilahy Jekonia ity dia vilany vingavingaina sy efa hotorotoroina ary fanaka tsy mahafinaritra va? Koa nahoana no nariana izy sy ny taranany ka natsipy any amin'ny tany tsy fantany?
29
Ry tany! ry tany! ry tany! Henoy ny tenin'i Jehovah.Izao no lazain'i Jehovah Soratanareo ho tsy manam-para ity lehilahy ity, dia lehilahy tsy hambinina amin'ny androny; Fa tsy hisy amin'ny taranany izay hambinina Hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida, na hanapaka ao amin'ny Joda intsony
30
Izao no lazain'i Jehovah Soratanareo ho tsy manam-para ity lehilahy ity, dia lehilahy tsy hambinina amin'ny androny; Fa tsy hisy amin'ny taranany izay hambinina Hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida, na hanapaka ao amin'ny Joda intsony
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 23 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52