bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
malagasy
/
Job 8
Job 8
malagasy
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 9 →
1
[Ny teny voalohany nataon'i Bildada] Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe:
2
Mandra-pahoviana no hiteny toy izany ianao, ka ho rivotra mahery ny teny aloaky ny vavanao?
3
Andriamanitra va hamadika ny fitsarana, na ny Tsitoha hamadika ny rariny?
4
Raha nanota taminy ny zanakao, dia efa nampanodiaviny azy ny fahadisoany.
5
Fa raha ianao kosa mandroso mitady an'Andriamanitra ka mifona amin'ny Tsitoha.
6
Ary raha madio sy mahitsy ianao, dia hifoha hamonjy anao tokoa Izy ary hampiadana indray ny fonenan'ny fahamarinanao,[Na: hiambina]
7
Ka na dia kely aza no niandohanao, dia ho lehibe indrindra no hiafaranao.
8
Fa masìna ianao, anontanio ange ny ntaolo, ka fantaro ny hevitra hitan'ny razany
9
(Fa vao omaly isika ka tsy mba mahalala, fa aloka ihany ny androntsika etỳ ambonin'ny tany);
10
Tsy ireny va no hampianatra anao ka hilaza aminao ary hamoaka teny avy ao am-pony?
11
Haniry va ny zozoro, raha tsy eny amin'ny fotaka? Hitrebona va ny harefo, raha tsy misy rano?
12
Mbola maitso izy sady tsy voajinja, kanefa malazo alohan'ny zava-maitso rehetra.
13
Toy izany no lalan'izay rehetra manadino an'Andriamanitra; Ary ho very ny fanantenan'ny mpihatsaravelatsihy,[Na: ratsy fanahy]
14
Fa ho maito ny fanantenany, eny, ho tranon-kala ny tokiny.
15
Miankina amin'ny tranony izy, kanjo tsy maharitra iny; Mihazona azy mafy izy, kanjo tsy mahazaka azy iny.
16
Mitsimoka tsara tandrifin'ny masoandro izy, ary ny rantsany misandrahaka eo amin'ny tanimboliny;
17
Mifelipelika mifaniditra eo amin'ny korontam-bato ny fakany ary mahazo any anelanelany;
18
Kanjo nony fongorany hiala amin'ny fitoerany izy, dia handà azy izany ka hanao hoe: Tsy mbola nahita anao akory aho.
19
Indro, izany ihany no fifalian'ny lalan-kalehany; ary hisy hafa indray mitrebona avy amin'ny vovoka.
20
Indro, Andriamanitra tsy hanary ny olona tsy manan-tsiny ary tsy hitantana ny mpanao ratsy;
21
Mbola hofenoiny hehy ny vavanao sy hoby ny molotrao.Izay mankahala anao hitafy henatra; Ary tsy hisy intsony ny lain'ny ratsy fanahy.
22
Izay mankahala anao hitafy henatra; Ary tsy hisy intsony ny lain'ny ratsy fanahy.
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 9 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42