bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
malagasy
/
Joshua 16
Joshua 16
malagasy
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 17 →
1
[Ny zara-tanin'ny taranak'i Josefa]Ary ny faritry ny tany azon'ny taranak'i Josefa tamin'ny filokana dia hatrany Jordana tandrifin'i Jeriko, dia tao amin'ny ranon'i Jeriko atsinanana, ka hatramin'ny efitra izay fiakarana avy any Jeriko, mamaky ny tany havoan'i Betela,
2
dia hatrany Betela ka hatrany Lozy, ka nandroso hatramin'ny fari-tanin'ny Arkita hatrany Atarota,
3
dia nidina niankandrefana nahazo ny tanin'ny Jafletita ka hatramin'ny fari-tanin'i Bedhorona ambany sy Gazera ka dia nihatra tamin'ny ranomasina.
4
Dia azon'i Manase sy Efraima, taranak'i Josefa, ny lovany.
5
Ary ny amin'ny fari-tanin'ny taranak'i Efraima araka ny fokony, ny fari-taniny atsinanana amin'ny lovany dia hatrany Atarot-adara ka hatrany Beti-horona ambony.
6
Ary ny fari-taniny dia nandroso niankandrefana hatrany avaratr'i Mikmeta, dia niolaka niantsinanana hatrany Tanata-silo ka nihoatra eo atsinanany hatrany Janoha,
7
dia nidina hatrany Janoha ka hatrany Atarota sy Narata, dia nipaka tamin'i Jeriko ary dia nihatra tany Jordana.
8
Ary hatrany Tapoa dia niankandrefana ny fari-tany hatramin'ny lohasahan-driak'i Kana, ka dia nihatra tamin'ny ranomasina. Izany no lovan'ny firenena taranak'i Efraima araka ny fokony,
9
mbamin'ny tanàna natokana ho an'ny taranak'i Efraima teo amin'ny lovan'ny taranak'i Manase koa, dia ny tanàna rehetra mbamin'ny zana-bohiny.Ary tsy nandroaka ny Kananita izay nonina tany Gazera izy; fa monina eo amin'i Efraima ny Kananita mandraka androany ka ampanaovina fanompoana.
10
Ary tsy nandroaka ny Kananita izay nonina tany Gazera izy; fa monina eo amin'i Efraima ny Kananita mandraka androany ka ampanaovina fanompoana.
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 17 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24