bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
malagasy
/
Romans 13
Romans 13
malagasy
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 14 →
1
Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe. Fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin'Andriamanitra; fa izay misy dia voatendrin'Andriamanitra.
2
Koa izay manohitra ny fahefana dia manohitra ny voatendrin'Andriamanitra; ary izay manohitra dia hahazo fahamelohana.
3
Fa ny mpanapaka dia tsy mba tahotry ny manao tsara, fa ny manao ratsy ihany. Ary ny tsy hatahotra ny fahefana va no tianao? Ataovy ary izay tsara, dia hahazo dera avy aminy ianao;
4
fa mpanompon'Andriamanitra izy hahatsara anao. Fa raha ratsy kosa no nataonao, dia matahora'fa tsy entiny foana tsy akory ny sabatra; fa mpanompon'Andriamanitra izy, dia mpamaly handatsaka fahatezerana amin'izay manao ratsy.
5
Koa tsy maintsy manaiky ny olona, nefa tsy noho ny fahatezerana ihany, fa noho ny fieritreretana koa.
6
Fa noho izany no andoavanareo vola hetra; fa mpanompon'Andriamanitra mitandrina izany zavatra izany indrindra ireny.
7
Mandoava amin'izy rehetra izay tokony ho azy avy: vola hetra ho an'izay tokony handoavan-ketra, fadin-tseranana ho an'izay tokony handoavana fadin-tseranana'tahotra ho an'izay tokony hatahorana, haja ho an'izay tokony hohajaina.
8
Aza avela hisy tsy voaloa na amin'iza na amin'iza, afa-tsy ny fifankatiavanareo ihany; fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna.
9
Fa ny hoe: Aza mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mitsiriritra zavatr'olona (Eks. 20. 13-17), mbamin'izay didy hafa rehetra, dia samy efa ao anatin'izao teny izao hoe: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18).
10
Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana; koa dia ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna.
11
Ary tokony hanao izany indrindra isika, satria fantatsika ny andro, fa ankehitriny izao dia ora tokony hifohazanareo amin'ny fahatoriana; fa ankehitriny ny famonjena antsika dia akaiky noho ny tamin'ny andro vao ninoantsika.
12
Efa ho lasa ny alina, ka efa mby akaiky kokoa ny andro, koa aoka hariantsika ny asan'ny maizina ka hitafiantsika ny fiadian'ny mazava.
13
Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin'ny andro; tsy amin'ny filalaovan-dratsy, na amin'ny fahamamoana, tsy amin'ny fijangajangana, na amin'ny fijejojejoana, tsy amin'ny fifandirana, na amin'ny fialonana.Fa itafio Jesosy Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin'ny nofo hahatanteraka ny filany.
14
Fa itafio Jesosy Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin'ny nofo hahatanteraka ny filany.
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16