bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy Bible 1865
/
Proverbs 20
Proverbs 20
Malagasy Bible 1865
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 21 →
1
Mpaniratsira ny divay, ary mpitabataba ny toaka, Koa izay miraikiraiky azon'izany dia tsy hendry.
2
Ny fampitahoran'ny mpanjaka dia toy ny fieron'ny liona tanora; Izay mampahatezitra azy dia mankahà-doza hihatra amin'ny ainy,
3
Voninahitry ny olona ny hanalavitra ny ady; Fa ny adala rehetra kosa misafoaka.
4
Ny malaina tsy mety miasa amin'ny ririnina, Ka dia hangataka izy raha fararano, fa tsy hahazo.
5
Rano lalina ny hevitra ao am-pon'ny olona; Fa izay manan-tsaina dia mahay manovo azy ihany,
6
Maro ny olona samy midera ny soa ataon'ny tenany avy; Fa izay olo-mahatoky, iza moa no mahita azy?
7
Izay olona marina mandeha amin'ny fahitsiany Sambatra ny zanany mandimby azy.
8
Mipetraka eo amin'ny seza fitsarana ny mpanjaka, Ka mikororoka manaisotra ny ratsy rehetra ny masony.
9
Iza no mahazo manao hoe: Efa nahadio ny foko aho Ka madio tsy manana ota?
10
Ny vato mizana samy hafa sy ny vata famarana samy hafa Dia samy fahavetavetana eo imason'i Jehovah.
11
Na dia ny zaza aza dia mampiseho amin'ny fanaony Na madio sy mahitsy ny fitondran-tenany.
12
Ny sofina mandre sy ny maso mahita Dia samy nataon'i Jehovah avokoa.
13
Aza tia torimaso ianao, fandrao tonga malahelo; Ahirato ny masonao, dia ho voky hanina ianao.
14
Ratsy! ratsy! hoy ny mpividy; Kanjo nony lasa izy, dia mandoka tena.
15
Ao ihany ny volamena sy ny voahangy betsaka; Fa ny molotra misy fahalalana no ravaka soa.
16
Alao ny lambany, fa efa niantoka olon-kafa izy, Ary tano ho solon'ny vahiny niantohany.
17
Mamin'ny olona ny hanina azo amin'ny fitaka; Kanjo ho feno fasika ny vavany any am-parany.
18
Ny hevitra rehetra dia aorin'ny fisainana, Ary ny fahaizana mandamina tsara no entonao miady.
19
Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny hevitra afenina, Koa aza miraharaha amin'izay mibedibedy foana.
20
Izay manozona ny rainy na ny reniny, Dia ho faty ao amin'ny alim-pito ny jirony.
21
Ny harena malaky azo foana eo am-boalohany Dia tsy hotahina any am-parany.
22
Aza manao hoe: Hamaly ny ratsy nataony aho; Fa andraso Jehovah, fa Izy no hamonjy anao.
23
Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny vato samy hafa, Ary ny mizana mandainga dia tsy tsara.
24
Avy amin'i Jehovah ny dian'ny olona, Ary hataon'izay olombelona ahoana no hahafantatra ny lalany?
25
Fandrika amin'ny olona ny malaky manao hoe: Zavatra masina ity; Ka nony vita ny voady, vao mamototra.
26
Ny mpanjaka hendry mikororoka manaisotra ny ratsy fanahy Sady mitarika ny kodia fivelezana eo amboniny.
27
Jiron'i Jehovah ny fanahin'ny olona, Itsilovana ny efitrefitra rehetra ao am-po.
28
Famindram-po sy fahamarinana no miaro ny mpanjaka, Ary ampitoeriny amin'ny famindram-po ny seza fiandrianany.
29
Voninahitry ny zatovo ny fahatanjahany, Ary ravaky ny anti-panahy ny volo fotsy.
30
Ny fampangirifiriana dia mahafaka ny faharatsiana, Ary ny kapoka mahadio ny efitrefitra ao an-kibo.
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 21 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31