bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy Bible 1865
/
Proverbs 8
Proverbs 8
Malagasy Bible 1865
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 9 →
1
Tsy miantso va ny fahendrena, Ary tsy manandra-peo va ny fahalalana?
2
Eo an-tampon'ny fitoerana avo amoron-dalana Sy eo an-tsampanan-dalana no ijoroany.
3
Eo anilan'ny vavahady, amin'ny fidirana ho ao an-tanàna, Sy eo anaty vavahady no iantsoany maty hoe:
4
Hianareo no antsoiko, ry olona; Ary ny feoko ho amin'ny zanak'olombelona.
5
Fantaro ny fahendrena, ry kely saina; Ary fantaro ny fahalalana, ry adala.
6
Henoy, fa hilaza zava-tsoa aho; Ary ny hilaza ny mahitsy no isokafan'ny molotro.
7
Fa ny marina ihany no holazain'ny vavako; Ary ny ratsy dia fahavetavetana, raha amin'ny molotro.
8
Marina ny teny rehetra aloaky ny vavako; Tsy misy fiolakolahana na fitaka ao aminy.
9
Miharihary avokoa izy, raha amin'ny mazava saina, Ary mahitsy, raha amin'ny efa nahazo fahalalana.
10
Aza ny volafotsy no raisina, fa ny anatro, Ary aleo ny fahalalana toy izay ny volamena voafantina.
11
Fa ny fahendrena dia tsara noho ny voahangy; Ary ny zavatra irina rehetra tsy azo ampitahaina aminy.
12
Izaho fahendrena dia miara-monina amin-tsaina, Ary hitan'ny fahalalako ny fisainana mazava.
13
Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an'i Jehovah. Ny fiavonavonana sy ny fireharehana sy ny lalana ratsy Ary ny vava fandainga dia samy halako avokoa.
14
Ahy ny fisainana sy ny fanambinana; Izaho no fahalalana, izaho no manan-kery;
15
Izaho no anjakan'ny mpanjaka Sy andidian'ny mpanapaka araka ny rariny;
16
Izaho no anapahan'ny andriandahy sy ny lehibe, Dia ny mpitsara rehetra amin'ny tany.
17
Tiako izay tia ahy; Ary izay fatra-pitady ahy dia hahita ahy.
18
Ato amiko ny harena sy ny voninahitra, Eny, ny harena mateza sy ny fahamarinana.
19
Ny vokatro dia tsara noho ny volamena, eny, noho ny tena volamena aza, Ary ny fitomboan'ny hareko mihoatra noho ny volafotsy voafantina.
20
Amin'ny alehan'ny fahamarinana no izorako, Dia ao amin'ny lalan'ny fitsarana marina,
21
Mba hampandovako harena izay tia ahy, Sy hamenoako ny firaketany.
22
Jehovah nahary ahy ho fiandohan'ny alehany, Ho voalohany amin'ny asany hatramin'ny taloha.
23
Izaho notendreny hatramin'ny fahagola, Eny, hatramin'ny voalohany indrindra, dia fony tsy mbola ary ny tany.
24
Fony tsy mbola ary ny lalina, no efa teraka aho, Fony tsy mbola ary ny loharano miboiboika be,
25
Fony tsy mbola naorina ny tendrombohitra, Fony tsy mbola nisy havoana, no efa teraka aho,
26
Fony tsy mbola natao ny tany, na ny saha, Na ny voalohan'ny vovo-tany ambonin'izao rehetra izao.
27
Raha namorona ny lanitra Izy, dia tany aho, Raha namaritra ny hababakaka tambonin'ny lalina Izy,
28
Raha nampitoetra ny rahona eny ambony Izy, Raha niboiboika fatratra ny loharanon'ny lalina,
29
Raha nanisy faritra ho an'ny ranomasina Izy, Mba tsy hahazoan'ny rano mihoatra ny fetrany, Ary nandidy ny amin'ny fanorenan'ny tany,
30
Dia mpità-marika teo anilany aho Sady ravoravo isan'andro isan'andro Ka nilalao mandrakariva teo anatrehany;
31
Eny, nahafaly ahy ny tany nataony honenana, Ary naharavoravo ahy ny zanak'olombelona.
32
Koa mihainoa ahy ianareo, anaka; Fa sambatra izay manaraka ny diako;
33
Minoa anatra, ka hendre, Fa aza mandà.
34
Sambatra izay olona mihaino ahy Ka miari-tory mandrakariva eo am-bavahadiko, Ary miandry eo amin'ny tolam-baravarako.
35
Fa izay mahita ahy dia mahita fiainana Sady mahazo sitraka amin'i Jehovah;
36
Fa izay diso ahy kosa mampidi-doza amin'ny fanahiny; Ary izay rehetra mankahala ahy tia fahafatesana.
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 9 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31