bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
1 Kings 4
1 Kings 4
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 5 →
1
Nanjaka tamin’i Israely rehetra i Salômôna mpanjaka.
2
Izao no lehibe, mpanao raharahany: i Azariasa, zanak’i Sadôka, no filohan’ny mpanao raharaha.
3
I Elihôrefa sy i Ahià, zanak’i Sisà, no mpanoratra; i Jôsafata zanak’i Ahiloda, no mpitahiry boky;
4
i Banaiasa zanak’i Jôiadasa no komandin’ny tafika; i Sadôka sy i Abiatara no mpisorona.
5
I Azariasa zanak’i Natàna no lehiben’ny mpikarakara ny hanin-kohanina; i Zaboda zanak’i Natàna mpisorona no mpanolo-tsaina, manolotra ny mpanjaka;
6
i Ahisara no lehiben’ny tao an-dapa; ary i Adônirama zanak’i Abdà no mpiadidy ny momba ny fanompoana.
7
Nanana mpikarakara hanina 12 lahy tamin’i Israely rehetra i Salômôna. Ireo no namonona izay nilain’ny mpanjaka sy ny ankohonany, amin’ny fivelomany, samy tsy maintsy namonona izany ho an’ny volana iray avy isan-taona.
8
Izao no anaran’izy ireo: Ben-Hora, tamin’ny tendrombohitr’i Efraima;
9
Ben-Dekara, tao Maksesa, tao Salebima, tao Betsamesa, tao Elôna any Betanàna;
10
Ben-Heseda, tao Harobôta, azy avokoa i Sokao sy ny tany Efara rehetra;
11
Ben-Abinadaba, ny havoan’i Dora rehetra no azy, ary Tafeta zanakavavin’i Salômôna no vadiny;
12
Banà, zanak’i Ahiloda; azy avokoa i Tanàka sy i Magedao ary i Betsàna rehetra, akaikin’i Sartàna, eo ambanin’i Jezraela, hatrany Betsàna, ka hatrany Abelmehôla, hatrany ambadik’i Jekimaana;
13
Ben-Gabera tao Ramôtan’i Galaada; izao no azy: Ny tanàna madinik’i Jaira, zanak’i Manase, any Galaada; ny tany Argoba, any Basàna, misy tanàna lehibe 60, mimanda sy misy hidy varahina;
14
Ahinadaba zanak’i Adaô tao Manaima;
15
Akimaasa tao Neftalì. Izy koa naka ho vady ny zanaka vavin’i Salômôna anankiray dia i Basemata;
16
Baanà, zanak’i Hosì, tao Asera sy i Alota;
17
Jôsafata zanak’i Faroe, tao Isakara;
18
Semeià zanak’i Elà, tany Benjamina;
19
Gabara zanak’i Orì, tamin’ny tany Galaada, amin’ny tany Sehôna, mpanjakan’ny Amôreana, sy Oga mpanjakan’i Basàna, fa iray ihany no mpikarakara tamin’izany tany izany.
20
Maro toy ny fasika eny amoron-dranomasina i Jodà sy i Israely; ary nihinana sy nisotro sy nirobiroby.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22