bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
1 Kings 9
1 Kings 9
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 10 →
1
Nony vitan’i Salômôna ny fanaovana ny tranon’i Iaveh sy ny tranon’ny mpanjaka mbamin’izay rehetra sitrak’i Salômôna sy izay niriny,
2
dia niseho fanindroany taminy indray i Iaveh, toy ny nisehoany taminy tany Gabaôna.
3
Ary izao no nolazain’i Iaveh taminy: «Nohenoiko ny vavaka amam-pifonanao, nataonao tamiko, ka efa nohamasiniko ity trano nataonao ity, mba hametrahako ny Anarako ao mandrakizay, ka dia ho eto mandrakariva ny masoko sy ny foko.
4
Ary ianao, raha mandeha eo anatrehako tahaka ny nandehanan’i Davida rainao, amin’ny fahatsoran’ny fonao sy amim-pahitsiam-po manaraka izay nandidiako anao, raha mitandrina ny didy amam-pitsipiko ianao,
5
dia hataoko mafy orina mandrakizay ny seza fiandrianan’ny fanjakanao amin’i Israely, araka ny efa nolazaiko tamin’i Davida rainao hoe: Tsy ho lany taranaka eo amin’ny seza fiandrianan’i Israely ianao.
6
Fa raha mivily miala amiko kosa ianao na ny tenanareo na ny zanakareo, ka tsy mitandrina ny didy aman-dalàko izay nataoko teo anoloanareo, ka mandeha manompo andriamani-kafa sy miankohoka eo anatrehany,
7
dia hofongorako eo amin’ny tany nomeko azy i Israely, hariako tsy ho eo imasoko intsony ny trano nohamasiniko ho an’ny Anarako, hanjary fandatsa sy ambentintenin’ny firenena rehetra i Israely;
8
ho avo toerana ihany ity trano ity, nefa hitalanjonana sy hisitrisîran’ny mpandalo rehetra. Dia hiteny ny olona hanao hoe: Fa naninona no dia nataon’i Iaveh toy izao ity tany ity sy io trano io?
9
Ary ny olona hamaly hanao hoe: Satria izy ireo nandao an’i Iaveh Andriamaniny, izay namoaka ny razany avy tany amin’ny tany Ejipta, ka andriamani-kafa no nifikirany sy niankohofany teo anatrehany ary notompoiny, ka izany no nampidiran’i Iaveh izao loza rehetra izao tamin’izy ireo.»
10
Nony afaka roapolo taona, ka efa naorin’i Salômôna ny trano roa, dia ny tranon’i Iaveh sy ny tranon’ny mpanjaka: i Hirama, mpanjakan’i Tira, no efa namonona ny hazo sedera sy ny hazo sipresa mbamin’ny volamena ho an’i Salômôna araka izay nilainy,
11
ka dia nomen’ny mpanjaka Salômôna tanàna roapolo teo amin’ny tany Galilea i Hirama.
12
Dia niala tany Tira i Hirama hizaha ny tanàna nomen’i Salômôna azy, ary tsy tiany ireny,
13
ka hoy izy: «Edrey, itony tanàna mba nomenao ahy, ry rahalahy!» Ary nataony hoe tany Kabola no anaran’ireny mandrak’androany.
14
Efa nampanitatra talenta volamena 120 ho an’i Salômôna i Hirama.
15
Izao kosa no momba ny olona mpanao fanompoana nalain’i Salômôna, hanaovana ny tranon’i Iaveh sy ny tranony, i Melao sy ny mandan’i Jerosalema, i Hasera, i Megedaô, ary i Gazera.
16
I Faraôna mpanjakan’i Ejipta, dia efa niakatra ka nahafaka an’i Gazera, dia nodorany ny tanàna, novonoiny ny Kananeanina nonina tao an-tanàna, dia nomeny ho haren-jazavavy izy, ho an’ilay zanany vadin’i Salômôna.
17
Ary izao no naorin’i Salômôna: Gazera, Bety-Hôrôna ambany,
18
i Baalata, i Tadmora any amin’ny tany efitra,
19
ny tanàna rehetra natao fitahirizana, ka an’i Salômôna, ny tanàna ho an’ny kalesy, ny tanàna ho an’ny mpitaingin-tsoavaly, mbamin’izay rehetra tian’i Salômôna naorina tany Jerosalema sy i Libàna ary tany amin’ny tany rehetra nanapahany.
20
Ary ny vahoaka sisa rehetra tamin’ny Amôreana, Heteanina, Ferzeanina, Heveanina, mbamin’ny Jeboseanina izay tsy isan’ny zanak’i Israely,
21
dia ny taranaka mandimby azy ireo tamin’ny tany, izay tsy azon’ny zanak’i Israely natao anatema, no nalain’i Salômôna andevo mpanao fanompoana, dia mbola toy izany ireo mandrak’androany.
22
Fa tsy mba nisy nataon’i Salômôna andevo ny zanak’i Israely, fa izy ireo no lehilahy mpiantafika, mpanompony, mpifehy, manamboninahitra, komandin’ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaly.
23
550 lahy no lehiben’ny komadaoron’ny mpiasan’i Salômôna.
24
Ary niakatra ny zanaka vavin’i Faraôna avy any an-tanànan’i Davida, ho ao amin’ny tranony, izay nataon’i Salômôna ho azy, ka tamin’izay izy no nanorina an’i Melaô.
25
Intelo isan-taona no nanateran’i Salômôna sorona dorana aman-tsorom-pihavanana, teo ambonin’ny ôtely nataony ho an’i Iaveh, sady nandoro zava-manitra teo ambonin’ny ôtely izay eo anatrehan’i Iaveh koa izy. Toy izany no nahavitany ny trano.
26
Ary i Salômôna mpanjaka nanao sambo maro tao Asiôngabera, akaikin’ny Ailata amoron’ny Ranomasina Mena, amin’ny tany Edôma.
27
Ary nalefan’i Hirama tamin’izany sambo izany ny mpanompony, izay matilò mahay ranomasina, hiaraka amin’ny mpanompon’i Salômôna.
28
Nankany Ofira izy ireo, naka talenta volamena 420 tany, dia nentiny tamin’i Salômôna mpanjaka.
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 10 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22