bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Colossians 2
Colossians 2
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 3 →
1
Fa tiako ho fantatrareo ny hamafin’ny ady iadiako ho anareo sy ho an’ny any Laodisea mbamin’izay rehetra mbola tsy nahita maso ahy,
2
mba hahafaka alahelo ny fon’izy ireo, sy hiraisany fatratra amin’ny fitiavana ary hananany fieken-tsaina mazava tsara, ka hahalala ny hevi-miafin’Andriamanitra izy, dia i Kristy,
3
Izay iafenan’ny rakitry ny fahendrena amam-pahalalana rehetra.
4
Izaho no milaza izany aminareo, dia ny mba tsy hahavoafitaka anareo amin’ny fandrebireben’ny sasany:
5
fa na dia tsy atỳ aminareo amin’ny vatana aza aho, dia atỳ aminareo amin’ny fanahy ihany, ka faly mijery izato filaminanareo sy hamafin’ny finoanareo an’i Kristy.
6
Araka ny nandraisanareo an’i Kristy Jesoa Tompo àry, no aoka handehananareo ao aminy koa.
7
ka hamàka tsara sy hiorina ao aminy, ary hohamafisin’ny finoana sy handroso hatrany hatrany amim-pisaorana Azy.
8
Mitandrema fandrao dia lasan-ko babon’ny sasany, amin’izany hoe fahaizan-dalina, izay famitahana foana, avy amin’ny hevitr’olombelona sy araka ny abidim-pianaran’izao tontolo izao, fa tsy araka an’i Kristy.
9
Ao aminy anefa no itoeran’ny hafenoan’ny fomban’Andriamanitra an-davany sy an-tsakany;
10
ao aminy no anananareo ny zavatra rehetra, fa Izy no lohan’izay rehetra mety ho fanapahana sy fahefana;
11
tao aminy no namoràna anareo tamin’ny famorana tsy nataon-tanana, izay manala ny tena nofo, dia tamin’ny famoràn’i Kristy;
12
fa niara-nilevina taminy ianareo tamin’ny Batemy, ary niara-nitsangana taminy tamin’ny Batemy ihany koa, noho ny finoanareo ny herin’Andriamanitra izay nanangana Azy ho velona.
13
Koa ianareo izay matin’ny fahotanareo sy ny tsy fiforàn’ny vatanareo, dia novelomin’Andriamanitra niaraka taminy indray, nony efa navelany ny fahotantsika rehetra.
14
Fa novonoiny ny sora-tanan’ny didy niampanga antsika sy namely antsika, sady nesoriny tsy hisy intsony aza izany, tamin’ny nanohomboany Azy tamin’ny Hazofijaliana;
15
ary naongany ny fifehezana sy ny fahefana, sady nasehony miharihary ho fizàhan’ny olona ka nampombainy ny mpandresy tao amin’ny Hazofijaliana.
16
Koa aoka ianareo tsy hotsarain’olona ny amin’ny fihinana amam-pisotro, na ny amin’ny andro fety aman-tsinam-bolana, na ny amin’ny andro sabata,
17
satria aloky ny zavatra ho avy fotsiny ireny, fa ao amin’i Kristy ny tena zavatra.
18
Aoka ianareo tsy ho voasakan’olona tsy hahazo ny lokan’ady, amin’ny fitaomana anareo ho amin’ny fanetren-tena tsy izy, sy amin’ny fanompoana ny Anjely, dia olona mitompo amin’ny zavatra hitany, hono, sady feno fiavonavonana erỳ ao amin’ny fisainany manaraka ny nofo,
19
nefa olona tsy mikambana amin’ny Loha, Izay iveloman’ny tena manontolo, sy iraisany tsara amin’ny hozatra amam-pamavàny, ka ahazoany ny fitomboana tian’Andriamanitra homena azy.
20
Raha niara-maty tamin’i Kristy ny amin’ireny abidim-pianaran’izao tontolo izao ireny àry ianareo, nahoana no hoatra ny mbola velona amin’izao tontolo izao ihany, ka mety hodidiana foana hoe:
21
«Aza mandray! Aza manandrana! Aza manendry!»
22
Nefa zavatra manjary levona foana avokoa amin’ny fomba fampiasana azy fotsiny izany zavatra rehetra izany! - Eisy! didy sy fampianaran’olombelona foana izany;
23
sady toa misy fahendrena no fijery azy, raha araka izato fombam-panompoana noforoniny, sy izato fanetrena amam-panivàna ny tena asehony, kanjo tsy misy na inona na inona akory, fa fampanaranana ny nofo foana no tadiavina aminy.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4