bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Colossians 4
Colossians 4
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
1
Ianareo tompo, manaova ny marina sy ny mety amin’ny mpanomponareo; fa fantatrareo fa manan-Tompo any an-danitra koa ianareo.
2
Mahareta amin’ny fivavahana; ataovy amim-piambenana sy fisaorana izany.
3
Ary mangataha koa ho anay, mba hamohan’Andriamanitra varavarana hitorianay teny, sy hanambaràko ny zava-miafina ny amin’i Kristy, izay hany ifatorako izao,
4
ary hampahafantarako Azy araka ny tokony hilazako Azy.
5
Mahaiza mitondra tena amin’izay eo ivelany; ary mahaiza manararaotra ny fotoana.
6
Aoka ny fiteninareo ho mahatehotia mandrakariva, sy ho mamy sira, dia ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra tsirairay avy.
7
Ny amin’ny zavatra rehetra momba ahy, dia i Tisìko, namana malala, sy mpandraharaha mahatoky, ary mpiara-manompo amiko ao amin’ny Tompo, hampahafantatra izany aminareo;
8
fa ny handrenesanareo ny toetray indrindra, sy ny hanafaka alahelo ny fonareo no nanirahako azy ho atỳ aminareo.
9
I Onesimo, rahalahy malala sy mahatoky, izay avy atỳ aminareo koa, dia miaraka aminy; ka dia izy roa lahy no hampahalala anareo ny zavatra rehetra atỳ.
10
Manao veloma anareo i Aristarka, mpiara-mifatotra amiko, sy i Marka, zanak’anabavin’i Barnabe (efa nahazo didy ny amin’izany ianareo, ka raiso tsara izy raha tonga atỳ aminareo).
11
Manao veloma anareo koa i Jesoa ilay atao hoe Jostosy: izy telo lahy ireo no hany voafora amin’izay miara-miasa amiko hampandroso ny fanjakan’Andriamanitra; nanafaka alahelo ahy fatratra ireo.
12
Manao veloma anareo i Epafrasy, mpanompon’i Kristy, avy atỳ aminareo; miady ho anareo mandrakariva izy amin’ny fivavahany, mba ho lavorary sy hatoky tsara ianareo ka hitoetra mafy amin’izay rehetra mety ho sitrapon’Andriamanitra;
13
izaho no vavolombelona fa mikely aina fatratra ho anareo sy ho an’ny any Laodisea ary ho an’ny any Hierapôlisy izy.
14
Manao veloma anareo i Lioka malala, dokotera, sy i Demasy.
15
Veloma any amin’ny havana iray finoana any Laodisea sy any amin’i Nimfa mbamin’ny Eglizy ao an-tranony.
16
Rehefa voavaky atỳ aminareo ity taratasy ity, asaovy vakìny any amin’ny Eglizy any Laodisea koa; dia hovakinareo kosa ilay avy any Laodisea.
17
Lazao amin’i Arkipo izao: «Tandremo ny fandraharahana noraisinao tao amin’ny Tompo, mba hahatanterahanao azy tsara.»
18
Veloma, hoy izaho Paoly, amin’ity sora-tanako ity. Tsarovy ny fifatorako. Ho ao aminareo anie ny fahasoavana. Amen.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
All chapters:
1
2
3
4
Recommended Reading
Commentary
Colossians Commentaries
→
Devotional
Colossians Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (Baiboly Katolika) Study Bible
→