bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Habakkuk 2
Habakkuk 2
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 3 →
1
Tiako ny mitana ny anjara toerako, sy mipetraka eo amin’ny tilikambo fiambenana, dia hitandrina aho hahitako izay holazain’i Iaveh amiko, sy izay havaliko ny fananarana hatao amiko.
2
Dia namaly ahy i Iaveh, ka nanao hoe: Soraty ny fahitana ka sokiro amin’ny fàfana, mba hamakian’ny olona azy moramora.
3
Fa mbola misy fahitana amin’ny fotoam-boafetra; efa mandroso ho amin’ny fotoana fanaperana azy izy, ka tsy hamitaka; raha miadam-piavy izy, andraso ihany, satria ho avy tokoa, fa tsy ho diso.
4
Izay mibohibohy ny fanahy ao anatiny, dia tsy mba amin’ny lala-mahitsy, fa ny marina no ho velona amin’ny finoany.
5
Ary fanampin’izany koa, mamitaka ny divay. Tsy haharitra ny olona miavonavona, izay mampitombo ny fahalianany ho lehibe toy ny seoly sy tsy mety voky, hoatra ny fahafatesana; mamory ny firenena rehetra ho ao aminy, ary manangona ny vahoaka rehetra ho azy.
6
Moa va izy ireo, dia izy rehetra, tsy hanonona oha-teny momba azy amam-panoharana sy ankamantatra mihatra aminy? Hanao hoe: Mila loza izay mandroaka ny tsy azy, - mandra-pahoviana? - sy ho an’izay mandray ho entana tataoviny ny zavatra natao tsatòka.
7
Tsy hitsangana tampoka va ireo tompon-trosa, tsy hifoha va ireo mpanompo anao ka ianao kosa indray, moa tsy ho rembiny?
8
Noho ianao namabo firenena maro, dia mba hobaboin’ny firenena sisa rehetra kosa, noho ny ran’olona nalatsaka, sy ny fandozàna natao tamin’ny tany, na tamin’ny tanàna, na tamin’ny mponina rehetra ao aminy.
9
Loza ho an’izay manangon-karena tsy an-drariny ho an’ny taranany, hanaovany amin’ny avo dia avo ny akaniny, mba handosirany tsy ho tratry ny loza!
10
Manao hevitra hanala baraka ny taranakao ianao; tamin’ny nandringananao firenena maro dia nanota tamin’ny tenanao ianao.
11
Fa ny vato amin’ny rindrina hataraina, ary ny sakamandimby amin’ny rafi-trano no hamaly azy.
12
Mila loza izay manao tanàna amin’ny fandatsahan-dra; sy manorina renivohitra amin’ny tsy marina!
13
Tsy izao va no sitrapon’i Iavehn’ny tafika dia ny hiasan’ny olona ho an’ny afo, sy ny hisasaran’ny firenena ho an’ny zava-poana?
14
Fa ny tany ho feno ny fahalalana ny voninahitr’i Iaveh, toy ny fandrakotry ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.
15
Loza ho an’izay mampisotro ny namany, dia ianao izay mampidina ny hatezeranao, mandra-pahamamony, mba hijery ny fitanjahany!
16
Henatra no nivokisanao fa tsy voninahitra; misotroa koa ianao, ka asehoy ny tsy mahavoafora anao; havadika hirotsaka aminao ny kapoaka ao an-tanana ankavanan’i Iaveh; ho sarona fahafaham-baraka ny voninahitrao.
17
Fa hitsingerina aminao ny fahasiahana namelezana an’i Libàna mbamin’ny fandringanana ny biby raiki-tahotra mahatsiravina, noho ny ran’olona nalatsaka, sy ny loza natao tamin’ny tany, na tamin’ny tanàna na tamin’ny mponina rehetra ao aminy.
18
Inona no asan’izay sarin-javatra voapaika, no mipaika azy ny mpamorona azy, na ny sampy anidina sy ny mpanambara lainga, no matoky izay asan-tanany ny mpamorona azy, amin’ny fanamboarana andriamanitra moana?
19
Loza ho an’izay manao amin’ny hazo hoe: Mitsangàna! sy amin’ny vato moana hoe: Mifohaza! Hampianatra va izy? Indro fa voapetaka volamena sy volafotsy izy, nefa tsy mba misy fofon’aina akory ao anatiny.
20
I Iaveh kosa, ao amin’ny Tempoliny masina; aoka hangìna eo anatrehany ianao, ry tany rehetra.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3