bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Habakkuk 3
Habakkuk 3
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
1
Vavaka nataon’i Habakoka, mpaminany. Araka ny fomban-dahateny ditirambìka.
2
Iaveh ô, nandre izay nampandrenesinao aho, dia raiki-tahotra aho, Iaveh ô! Velomy ny asanao amin’ny taona mifandimby; ataovy fantatra amin’ny taona mifandimby izy. Na eo amin’ny hatezeranao aza, mahatsiarova ny hamindra fo.
3
Tamy avy any Temàna Andriamanitra, ary avy any an-tendrombohitra Faràna ilay Masina (Selà). Nanarona ny lanitra ny fiandrianany; ary nameno ny tany ny voninahiny.
4
Toy ny fahazavan’ny masoandro miposaka ny famirapiratany; misy tanamasoandro avy eo amin’ny tanany; ao no ieren’ny heriny.
5
Mandeha eo anoloany ny fandripahana; ary manaraka ny diany ny tazo mahamay.
6
Nijanona Izy, ka nampihorohoro ny tany; nijery Izy ka nampihozongozona ny firenena; torotoro ny tendrombohitra mandrakizay, nietry ny havoana fahagola; ny lalany taloha no narahiny.
7
Hitako latsaka am-pahoriana, ny lain ’i Kosàna, ary mihorohoro ny lay amin’ny tanin’i Moaba.
8
Amin’ny ony va no mahatezitra an’i Iaveh? sa amin’ny ony no irehetan’ny fahatezeranao? amin’ny ranomasina no mampisafoaka anao, raha ilay mitaingina ny soavalinao iny Ianao, raha mitaingina ny kalesim-pamonjenao?
9
Ny tsipìkanao miseho miharihary; ny zana-tsipìkanao dia ireo fiainana voatononao (Selà). Ataonao mivava ny tany ho ranon-driaka.
10
Nahita anao ny tendrombohitra ka mangovitra, nisy rambon-danitra nandalo, niloa-peo ny hantsana sady nanangan-tanana mankany ambony.
11
Tafajanona eo amin’ny fitoerany ny masoandro amam-bolana; ka ny fanjelajelatry ny zana-tsipìkanao no andehanan’ny olona, sy ny fahazavan’ny lefonao mamirapiratra.
12
Mitetitety ny tany amim-pahatezerana Ianao, hitsahinao amim-pahavinirana ny firenena.
13
Nivoaka hamonjy ny olonao Ianao, hanafaka an’ilay Voahosotrao; notapahinao ny vovonan’ny tranon’ny ratsy fanahy, nahariharinao hatrany ambany ny fiorenany (Selà).
14
Notrobaranao tamin’ny zana-tsipìkany ihany, ny lohan’ireo antokon’olony, izay nibosesika hamely ahy, tamim-panaovana hobin-kafaliana toy ny efa handevona ny ory ao amin’ny fierin’izy ireo.
15
Hitsahinao amin’ny tongo-tsoavalinao ny ranomasina, ny fitambaran’ny rano be.
16
Vao nandre aho dia nivadika ny tsinaiko; mipararetra amin’izany feo izany ny molotro, idiran’ny fahalòvana ny taolako, mangovitra ny lohaliko eo ambaniko, noho ny tsy maintsy hiandrasako amim-piadanana ny andro mahory, izay hiakaran’ny fahavalo hampahory ny vahoaka anankiray.
17
Satria amin’izany ny aviavy tsy hamontsina, ny voaloboka tsy hisy hotoazana; ny ôliva tsy hisy voany; ary ny saha tsy hahavoka-kanina; tsy hisy intsony ao amin’ny vala ny ondry ary ny fahitra tsy hisy omby intsony.
18
Fa izaho dia te hiravoravo amin’i Iaveh, te hientan-kafaliana amin’ny Andriamanitry ny famonjena ahy.
19
I Iaveh Tompo no heriko; ataony toy ny an’ny serfa vavy ny tongotro, ary ampandehaniny eny amin’ny fitoerako avo aho. Ho an’ny filohan’ny mpihira, amin’ny zava-manenoko tendrena.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
All chapters:
1
2
3