bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Hebrews 4
Hebrews 4
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 5 →
1
Koa aoka hatahotra isika, dieny mbola manana ny teny fampanantenana, fa hiditra amin’ny fialàny sasatra, mba tsy hisy tsy hahatratra izany aminareo na dia iray aza.
2
Fa isika koa dia nitoriana filazana mahafaly toa an’ireny, saingy tsy nombany finoana ny teny ren’izy ireny, ka tsy nahasoa azy akory.
3
Fa isika izay mino kosa dia hiditra amin’ny fialan-tsasatra, araka ny voalazany hoe: Nianiana noho ny hatezerako Aho fa tsy hiditra amin’ny fialan-tsasatro izy ireo.
4
Ary na efa vita tanteraka hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao aza ny asany, dia hoy Izy, amin’ny andininy anankiray any ho any ny amin’ny andro fahafito hoe: Ary Andriamanitra niala sasatra tamin’ny asany rehetra, tamin’ny andro fahafito;
5
ary eto indray, hoy izy: Tsy hiditra amin’ny fialan-tsasatro izy ireo.
6
Koa noho ny sasany dia mbola mahazo miditra ao, fa ireo nitoriana voalohany no tsy tafiditra noho ny tsy finoany,
7
dia mametra andro iray indray Izy izay nantsoiny hoe «anio», fa hoy Izy hoe ao amin’i Davida tatỳ aoriana ela be, araka ny voalaza teo: Anio raha mandre ny feony ianareo, aza manamafy ny fonareo.
8
Fa raha tahiny efa nomen’i Jôsoe izany fialan-tsasatra izany, dia tsy ho nilaza andro hafa intsony i Davida tatỳ aorian’izany;
9
ka dia mbola misy andro fialan-tsasatra àry ho an’ny vahoakan’Andriamanitra.
10
Satria izay miditra amin’ny fialan-tsasatr’Andriamanitra, dia tsy maintsy mitsahatra amin’ny asany, tahaka an’Andriamanitra tamin’ny Azy koa.
11
Koa aoka isika hazoto miditra amin’izany fialan-tsasatra izany, mba tsy hisy ho latsaka amin’ny tsy finoana tahaka ireny koa.
12
Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, ka maranitra noho ny sabatra roa lela, maninteraka ny fiavahan’ny aina sy ny fanahy, ary ny famavàny sy ny tsoka aza; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.
13
Tsy misy zava-boaary miafina eo anatrehan’Andriamanitra, fa mihanjahanja sy miharihary eo imason’Izy hampamoaka antsika ny zavatra rehetra.
14
Koa noho isika manana Mpisorona lehibe Izay lasa namaky ny lanitra, dia i Jesoa Zanak’Andriamanitra, dia aoka hotanantsika mafy ny finoana efa nekentsika.
15
Satria tsy mpisorom-be tsy mahalala mangoraka ny fahalementsika no antsika; fa efa nalaim-panahy tahaka antsika tamin’ny zavatra rehetra izy, afa-tsy ny fahotana.
16
Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana, mba hahazoantsika famindram-po, sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika amin’ny andro ilàntsika izany.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13