bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Hebrews 8
Hebrews 8
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 9 →
1
Fa izao no tampon’ny zavatra lazaina amin’izao, dia ny ananantsika mpisorom-be toy izany, izay mipetraka eo ankavanan’ny seza fiandrianan’ny Avo Indrindra any an-danitra,
2
mpandraharaha ao amin’ilay tena fitoerana masina sy tena tranolay tsy naorin’olona, fa naorin’ny Tompo.
3
Satria ny mpisorom-be rehetra, dia tendrena mba hanolotra fanatitra sy sorona, ka tsy maintsy mba manan-katolotra koa Izy.
4
Raha etỳ an-tany, dia tsy mba ho mpisorona akory Izy, satria misy rahateo izay manolotra fanatitra araka ny Lalàna;
5
ireo dia sary sy tandindon’ny any an-danitra fotsiny no fanompoana ataony, araka ny natoron’Andriamanitra an’i Môizy ilay efa hanao ny tranolay iny izy hoe: « Tandremo mba ho vita araka ny ohatra naseho anao tany an-tendrombohitra ny zavatra rehetra.»
6
Fa ny Azy kosa dia fandraharahana ambony lavitra kokoa sy miankina amin’ny fampanantenana ambony kokoa.
7
Eny tokoa, satria raha tsy nisy tsininy ny fanekena voalohany, dia tsy nisy antony hanoloan’ny faharoa azy akory.
8
Fa mova tsy ny manome tsiny azy rehetra Andriamanitra no miteny toy izao: Indro, hoy ny Tompo, ho avy ny andro hanaovako fanekena vaovao amin’ny fianakavian’i Israely sy ny fianakavian’i Jodà;
9
tsy mba fanekena tahaka ny nataoko tamin’ny razan’izy ireo, tamin’ny andro nitantanako sy nitondrako azy nivoaka avy tany Ejipta, izay fanekena tsy naharetany ka nandaozako azy, hoy ny Tompo;
10
fa fanekena toy izao kosa no hataoko amin’ny fianakavian’i Israely, rehefa afaka izany andro izany, hoy ny Tompo: Halatsako ao an-tsainy ny lalàko, ary hosoratako ao am-pony; ka Izaho ho Andriamanitr’izy ireo, ary izy kosa ho vahoakako.
11
Dia tsy hisy hampianatra ny namany intsony izy, na hanao amin’ny namany hoe: Mahalalà an’Andriamanitra. Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra.
12
Satria havelako ny hadisoany, ary tsy hotsaroako ny fahotany.
13
Manambara ny voalohany ho efa antitra izy, amin’ny filazana ny faharoa hoe vaovao; ary izay hoe tranainy sy efa antitra dia efa madiva ho levona mihitsy.
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 9 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13