bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Lamentations 1
Lamentations 1
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 2 →
1
Ahoana re no mitoetra manirery ity, ilay tanàna be olona! Zary toa mpitondratena, ilay nalaza tamin’ny firenena! izy izay mpanjaka vavy eo amin’ny faritany, natao mpandoa hetra.
2
Mitomany amin’alahelo izy, mandritra ny alina, vonton-dranomaso ny takolany, tsy misy mampionona azy ireo mpitia azy rehetra; nivadika taminy ireo namany rehetra, ka tonga fahavalony.
3
I Jodà dia lasan-ko babo, fadiranovana, voaheloka hiasa mafy; mitoetra any amin’ny firenena, tsy mahita fitsaharana; tratr’ireo mpanenjika azy, teo an-kadilànana tery.
4
Misaona ny lalan’i Siôna, fa tsy misy intsony ny miakatra ho amin’ny fetiny. Rava avokoa ny vavahadiny, mitaraina ny mpisorony, miferinaina ny virjininy ary tra-pahoriana mangidy izy.
5
Ny mpampahory azy mahery, ny fahavalony miadana; fa izy nampahorin’i Iaveh, noho ny hamaroan’ny fahadisoany. Ny zanany madinika lasan-ko babo, eo anoloan’ny mpampahory.
6
Afaka amin’ny zanaka vavin’i Siôna ny voninahitra rehetra; Ny mpanapaka azy dia hoatra ny serfa tsy mahita vilona ka mandeha tsy manan-kery, eo anoloan’ny manenjika azy.
7
Tsaroan’i Jerosalema amin’ny andron’ny fahoriany amam-pirenireneny ny zava-tsoa sarobidy rehetra izay nananany, hatry ny andro fahagola. Ankehitriny, rehefa lavon’ny tanan’ny mpampahory azy ny olony, sady tsy misy mamonjy azy, dia mahita azy ny fahavalony, ka mihomehy ny fifadiany asa.
8
Nampitombo ny fahotany i Jerosalema, ka tonga zava-maloto; mamingavinga azy avokoa izay nanaja azy, fa nahita ny fitanjahany; mandefa feo mitoloko koa izy, sady miamboho.
9
Miseho eo ambany rambon’akanjony ny lotony; tsy nitsapa ny farany izy; ka mahagaga ny nahalavoany; sady tsy misy mampionona azy «Iaveh ô, jereo ity fahantrako, fa mahery ny fahavalo!»
10
Nandroso ny tanany ny mpampahory naka ny zava-tsoany rehetra; fa hitany ny firenena, niditra tao amin’ny fitoerany masina, dia ireo firenena izay namoahanao didy nataonao hoe: Tsy hiditra ao amin’ny fiangonanao izy!
11
Misento avokoa ny vahoaka; mitady hanina izy; izay firavaka ananany, afoiny atakalo hanina, izay mampody aina ao aminy. «Jereo Iaveh ô, zahao ity fietrena nilatsahako.»
12
Ianareo rehetra izay mandeha amin’ny lalana, jereo ka mahità, raha mba misy fahoriana toy izao manjò ahy izao, dia izaho izay nokapohin’i Iaveh, tamin’ny andron’ny fahatezerany mirehitra.
13
Ny taolako dia nandatsahany avy any ambony, afo mandoro azy; novelariny fandrika eo anoloan’ny tongotro, ka nampihemotra ahy; nahatrany tamiko ny fahoriana ka reraka mandritra ny andro izao aho.
14
Ny jiogan’ny fahotako dia voafehy, tao an-tanany; voatambatra ho fehezany ireny, ka mitambesatra amin’ny vozoko, nataony mihozohozo ny heriko. Natolotry ny Tompo eo an-tanan’izay tsy leoko aho.
15
Nalain’ny Tompo avokoa ny mahery rehetra, izay teto afovoako; niantso tafika hamely ahy Izy, nanorotoro ny zatovo lahiko; nohosihosen’ny Tompo, toy ny eo amin’ny famiazam-boaloboka, ny virjiny, zanaka vavin’i Jodà.
16
Izany no itomaniako, ka mamarin-dranomaso ny masoko, eny ny masoko; fa tsy mba misy olona ato anilako, mampionona ahy, mamelombelona ny aiko. Vontom-pahoriana ny zanako, fa mahery ny fahavalo.
17
Mananty tanan-droa i Siôna,... Tsy misy mampionona azy! Nantsoin’i Iaveh hamely an’i Jakôba, ny fahavalony ka manarona azy izy. Eo afovoan’izy ireo i Jerosalema, dia zary toa zava-maloto.
18
Tena marina i Iaveh, satria efa nandà ny didiny aho. Endrey! ry firenena rehetra ô, mba mihainoa ianareo, ary mijere ny alaheloko: ny virjiniko sy ny zatovoko lasan-ko babo.
19
Niantso lehilahy mpitia ahy aho, fa nofitahiny; ny mpisoroko aman-doholona maty ao an-tanàna, tamin’ilay izy nitady hanina iny hamelomany ny ainy.
20
Iaveh ô, jereo ity fahoriako! Mangotika ny atiko; mikorontana ny foko ato anatiko, fa niodina dia niodina tokoa aho. Eny ivelany, matin’ny sabatra ny zanako, ao an-trano, fahafatesana koa!
21
Ren’ny olona ny fitolokoko, nefa tsy misy mampionona ahy izy. Raha nandre ny manjò ahy ny fahavaloko rehetra, dia mifaly izy, satria niasa Ianao. Hampiavy ny andro voalazanao Ianao, ka ho tonga toa ahy koa ireo!
22
Ho mby eo anatrehanao avokoa anie ny faharatsian’ireo, mba hitondranao azy, toy ny nataonao tamiko noho ny fahadisoako rehetra! Fa be ny fisentoako, ka marary ny foko!
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5