bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Lamentations 4
Lamentations 4
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 5 →
1
Ahoana no nihamatroka ny volamena, nihasimba ny volamena madio, niely patrana ny vato voahasina, eny an-joron-dalambe rehetra eny.
2
Ireo zanaka lahin’i Siôna, miendrik’andriana indrindra, voatombana an-danjam-bolamena madio, ka ahoana no natao toy ny vilany tany, asan-tanan’ny mpanefy vilany?
3
Ny amboadia aza manolotra nono amin’ny zanany, ka mampinono azy; fa ny zanaka vavin’ny vahoakako kosa nanjary masiaka, hoatra ny ostritsa any an’efitra.
4
Ny lelan’ny zaza minono tafaraikitra amin’ny lanilany, azon’ny hetaheta; mangataka hanina ny ankizy madinika, nefa tsy nisy olona manome azy.
5
Ireo nihinan-kanim-pỳ fahizay, dia midaboky ny hanoanana eny an-dalambe; mandamaka eny amin’ny zezika ireo nolanjaina mipetraka amin’ny jaky.
6
Fa ny heloky ny zanaka vavin’ny vahoakako tafahoatra noho ny fahotan’i Sôdôma, izay noravana indray mihelina monja, nefa tsy nisy tanana niainga hamely azy.
7
Namirapiratra noho ny oram-panala ny mpanapaka azy, fotsy noho ny ronono; mena noho ny voahangy ny tenany; vato safira ny tarehiny.
8
Ny tavany mainty noho ny fahamaizinana, ka tsy fantatra intsony izy eny an-dalam-be, ny hodiny, miraikitra amin’ny taolany, maina tahaka ny hazo.
9
Sambatra ireo matin-tsabatra, noho iretsy matin’ny hanoanana, izay mihareraka tsikelikely, maratra, noho ny tsy fisian’ny vokatry ny tany!
10
Nisy vehivavy mora mangoraka, nefa tanany no nahandro ny zanany dia nataony hanina izany, tamin’ny fandringanana ny zanaka vavin’ny vahoakako.
11
Nanampatra hatramin’ny fara fahatezerany i Iaveh, nandefa ny fahatezerany mirehitra; dia nandrehitra afo tao Siôna izy, ka levon’izany ny fanorenany.
12
Tsy mba nino ireo mpanjakan’ny tany, na ny mponina rehetra tamin’izao tontolo izao, fa ny mpandrafy, ny fahavalo dia ho tafiditra ny vavahadin’i Jerosalema.
13
Izany no tonga noho ny fahotan’ny mpaminaniny, sy ny heloky ny mpisorony, izay nandatsaka tao anatin’ny mandany ny ran’ny marina.
14
Niraparapa toy ny jamba teny an-dalambe izy ireo, sady nihosin-dra, hany ka tsy azo nokasihina akory ny fitafiany.
15
«Mitanilà! Maloto e!» hoy ny antsoantson’ny olona, «Mitanilà ianareo! Mitanilà ianareo! Aza mikasika azy.» Nirenireny atsỳ sy arỳ, ka hoy ny olona any amin’ny firenena: Aoka tsy hitoetra atỳ ireny!
16
Ny Tavan’i Iaveh vinitra nampihataka azy; tsy nijery ireny intsony izy. Ny mpisorona, tsy nasian’ny fahavalo hajany; ny anti-panahy, tsy nananany antra.
17
Ary isika, nihavizaka ny masontsika, mbola miandry izay vonjy foana; eny an-tampon’ny tilikambontsika eny isika no nitsinjo, izay firenena tsy hahavonjy antsika akory.
18
Nitsikilo ny diantsika izy, nisakana antsika tsy handeha eny amin’ny kianjatsika. Manantòmotra ny fiafarantsika, tapitra ny androntsika; eny, efa tonga ny fiafarantsika!
19
Izay nanenjika antsika dia faingam-pandeha, noho ny voromahery eny an-danitra. Notanahiny teny an-tendrombohitra isika; nanaovany otrika tany an’efitra.
20
Ilay fofon’aintsika, ilay voahosotr’i Iaveh, voasambotra tao an-davak’izy ireo, dia ilay nataontsika hoe: «Eo ambanin’ny alokalony, no ho velona any amin’ny firenena isika.»
21
Mifalia sy miravoravoa, ry zanaka vavin’i Edôma, izay monina any amin’ny tanin’i Hosa! Horosoana ny kapoaka koa ianao; ka himamo dia hitanjaka.
22
Lasan’izay ny helokao, ry zanaka vavin’i Siôna, tsy hanesi-tany anao intsony izy. Mamangy ny helokao izy, ry zanaka vavin’i Edôma, asehony miharihary ny fahotanao.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5