bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
1 Thessalonians 1
1 Thessalonians 1
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 2 →
1
Avy amiko Paoly ity taratasy ity. Mamangy anareo isan’ny Fiangonana atỳ Tesalônika, izay tafaray amin’Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Tompo, aho. Mamangy anareo koa i Silasy sy i Timôty. Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana!
2
Velom-pisaorana mandrakariva an’Andriamanitra izahay ny aminareo rehetra, rehefa mahatsiaro amin’ny vavaka ataonay.
3
Tsaroanay tsy tapaka eo anatrehan’ilay Andriamanitsika sady Raintsika ny asa ateraky ny finoanareo, ny fikelezana aina asesiky ny fitiavanareo, ary ny faharetana vokatry ny fanantenanareo an’i Jesoa Kristy Tompontsika.
4
Fantatray, ry havana, fa efa notiavin’Andriamanitra ianareo ary efa nofidiny mba ho Azy.
5
Eny, ny Vaovao Mahafaly torînay dia tonganay tatỳ aminareo, tsy tamin’ny teny fotsiny ihany fa tamin’ny hery aman’asan’ny Fanahy Masina mbamin’ny fankatoavanay tanteraka ny Vaovao Mahafaly. Fantatrareo koa ny fiaimpiainanay fony izahay tatỳ aminareo ho fanasoavana anareo.
6
Sady nanahaka anay sy ny Tompo ianareo; fa na dia be aza ny fahoriana nanjo anareo, dia nandray ny tenin’Andriamanitra tamin’ny hafaliana avy amin’ny Fanahy Masina ianareo.
7
Koa dia tonga ohatra ho an’ny mpino rehetra eran’i Masedônia sy i Akaîa ianareo.
8
Nanako avy teo aminareo ny tenin’ny Tompo, ka tsy hoe nanerana an’i Masedônia sy i Akaîa ihany, fa niely hatraiza hatraiza koa ny lazan’ny finoanareo an’Andriamanitra; hany ka tsy mila ny hilazanay intsony ny olona.
9
Fa izy rehetra dia milaza ny momba anay ka mitantara ny nidiranay tatỳ aminareo sy ny nialanareo tamin’ny sampinareo ka nitodihanareo tamin’Andriamanitra, mba hanompoanareo ilay Andriamanitra velona sady marina.
10
Andrasanareo koa ny hahatongavan’ny Zanany avy any an-danitra, dia i Jesoa Izay efa natsangany ho velona avy tany amin’ny maty sady mpanafaka antsika amin’ilay fahatezeran’Andriamanitra ho avy.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5