bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
1 Thessalonians 3
1 Thessalonians 3
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 4 →
1
Koa satria tsy aritray intsony, dia naleonay nilaozana irery tany Atena;
2
ka nalefanay nankatỳ aminareo i Timôty rahalahinay ara-pinoana sady mpiara-miasa aminay ho an’Andriamanitra amin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly momba an’i Kristy. Nalefanay i Timôty hampiorina sy hampahery anareo amin’ny finoanareo,
3
mba tsy hisy hihontsina ianareo amin’izao fahoriana mahazo antsika izao; satria ny tenanareo mahalala fa voatendrin’Andriamanitra hodiavintsika izany.
4
Fony mbola tatỳ aminareo izahay, dia efa nilaza fa tsy maintsy hampahorîna isika; ary dia nitranga izany, araka izay fantatrareo.
5
Koa satria tsy aritro intsony, dia nalefako i Timôty hahalalako ny finoanareo. Nanahy aho fandrao voataonan’ilay mpaka fanahy ianareo ka ho very maina ny nikelezanay aina.
6
Efa tafaverina atỳ aminay izao i Timôty avy tatỳ aminareo, ka nilaza vaovao tsara taminay momba ny finoanareo sy ny fitiavanareo. Nilazany koa izahay fa mahatsiaro tsara anay mandrakariva ianareo sady maniry mafy ny hahita anay, toy ny anirianay mafy hahita anareo.
7
Noho izany, na dia tery sy ory fatratra aza izahay, dia nahazo hery noho ny aminareo; ny finoanareo no nampahery anay,
8
fa velona izahay ankehitriny satria mamahatra tsara sy mifikitra mafy amin’ny Tompo ianareo.
9
Inona re no saotra azonay avaly an’Andriamanitra noho ny aminareo, noho ny hafaliana be dia be omenareo anay sy tsapanay eo anatrehan’Andriamanitsika?
10
Mangataka mafy aminy, andro aman’alina, izahay mba hifanatri-tava aminareo sy hameno izay tsy ampy amin’ny finoanareo.
11
Izy izay Andriamanitsika sady Raintsika sy i Jesoa Tompontsika anie hitari-dalana anay ho atỳ aminareo!
12
Ny Tompo anie hampitombo ny fifankatiavanareo sy ny fitiavanareo ny olona rehetra ho tahaka ny itiavanay anareo!
13
Dia hampiorina ny fonareo Izy, ka tsy hanan-tsiny sy ho masina eo anatrehan’ilay Andriamanitra Raintsika ianareo, amin’ny andro hiavian’i Jesoa Tompontsika otronin’izay rehetra voatokana ho Azy.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5