bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Ecclesiastes 10
Ecclesiastes 10
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 11 →
1
Fatin-dalitra no mahamaimbo sy manimba ny ilomanitry ny mpanao zava-manitra; toy izany koa, ny fahadalana kely dia mavesa-danja bebe kokoa noho ny fahendrena.
2
Ny fisainan’ny hendry dia miasa tsara, fa ny fisainan’ny adala kosa no diso fandray hevitra.
3
Raha mandeha eny an-dalana ny adala, dia milaza tena amin’ny olon-drehetra ho adala satria tsy ampy saina izy.
4
Raha tezitra aminao ny mpampiasa anao, dia aza miala amin’ny toeranao; fa ny fihetsika tony misoroka fahadisoana be vava.
5
Mety diso ny mpitondra. Ratsy hitako tetỳ ambonin’ny tany koa izany.
6
Misy indraindray olona adala mitana toerana ambony, ary misy olo-manankaja voatazona amin’ny toerana ambany.
7
Nahita mpanompo mitaingin-tsoavaly aho ary olona ambony mandeha tongotra toy ny mpanompo.
8
Ny olona izay mihady lavaka no mety ho latsaka ao ary izay mandrava rindrina no ho voakaikitry ny bibilava.
9
Izay manongotra ny vato no haratrany ary izay mamaky ny hazo no mety hahita loza.
10
Raha dombo ny famaky ka tsy asaina, dia tsy maintsy mampiasa bebe kokoa ny herin-tena ny mpikapa. Ny fahendrena manko no fomba tsara indrindra hahombiazana.
11
Tsy misy tombontsoan’ny olona mahay mibaiko bibilava, raha toa ka mbola voakaikiny ihany.
12
Ny teny aloaky ny vavan’ny hendry dia sitraky ny olona; fa ny resaky ny adala kosa manala baràka tena.
13
Fahadalana no fiandohan’ny teny aloaky ny vavany; fa ny fiafarany kosa dia fahaverezan-tsaina mampidi-doza.
14
Tsy mitsaha-miteny ny adala; kanefa tsy misy olona mahalala akory ny hoavy. Tsy misy mahalaza amin’ny olona izay hitranga aorian’ny fahalasanany?
15
Reraka mafy amin-javatra bitika ny adala, fa ny lalana mankao an-tanàna avy no tsy fantany.
16
Mampalahelo ny tany izay manana mpanjaka mbola tanora fanahy sy mpitondra tendan-kanina vao maraina.
17
Sambatra kosa ny tany izay manana mpanjaka ombàn-toe-panahy ambony sy mpitondra misakafo ara-potoana mba ho fanovozan-kery fa tsy ho fimamoana.
18
Mampiletsy ny tafontrano ny fahakamoana hanamboatra azy; ary ny asa tsirambina no mampitete ny trano.
19
Manao sakafo ireo lehibe mba hikoranany; ny divay kosa maharavoravo ny ainy; ary ny vola no hahazoany manao izany rehetra izany.
20
Aza manozona ny mpanjaka, na dia anakampo ihany aza; tahaka izany koa aza manozona ny olo-manankaja na dia ao an’efitrano fandrianao aza. Fa mety hoentin’ny vorona ny feonao ary hambaran’ny manana elatra ny teninao.
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
Recommended Reading
Commentary
Ecclesiastes Commentaries
→
Devotional
Ecclesiastes Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (DIEM PROTESTANTA) Study Bible
→