bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Ecclesiastes 11
Ecclesiastes 11
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 12 →
1
Atsipazo eny ambony rano ny mofonao, fa ho hitanao ihany izy indray andro any.
2
Koa ampiasao amina sehatr’asa maro ny volanao, fa tsy fantatrao mihitsy izay loza mety hitranga eto ambonin’ny tany.
3
Na aiza na aiza toerana ianjeran’ny hazo, dia eo amin’izay nianjerany ihany no ijanonany. Raha mavesatra ny rahona, dia handatsaka orana amin’ny tany.
4
Izay mataho-drivotra na manahy ny oran-ko avy dia tsy mba hamafy na hijinja.
5
Toy ny tsy ahafantaranao ny fiforonan’ny aina ao an-kibon’ny vehivavy bevohòka no tsy hahatakaranao ny fomba fiasan’Andriamanitra mpanao izao rehetra izao.
6
Noho izany dia afafazo vao maraina ny voanao ary aza mitsahatra miasa mandra-paharivan’ny andro, fa tsy fantatrao izay ho vanona na ny teo aloha na ny tafara na koa samy ho vanona avokoa izy roa tonta.
7
Kanto ny fahazavàn’ny andro, ary mahafinaritra ny maso ny fahitana ny masoandro.
8
Na dia ela velona aza ny olona, dia tokony hifaly amin’ny taona tsirairay omena azy. Nefa aoka hotsarovany fa ho maro ny andro manjombona, satria izay rehetra ho avy dia zava-poana.
9
Mifalia, ry zatovo, amin’izao fahatanoranao izao; eny, miravoravoa mandritra izany fotoanandro izany. Ataovy izay mahadiavolana ny fonao sy izay mahafinaritra ny masonao. Nefa aoka ho fantatrao fa amin’izany rehetra izany dia hotsarain’Andriamanitra ianao.
10
Halaviro izay mety hampalahelo sy hampaharary, fa ny fahatanorana sy ny hery dia mihelina samy zava-poana.
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 12 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12