bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
James 2
James 2
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 3 →
1
Ry havako, noho ianareo mino ny Tompontsika, izany hoe i Jesoa Kristy be voninahitra, dia aoka ianareo mba tsy hijery tavan’olona.
2
Fa misy ohatra olona miperatra volamena sady manao akanjo marevaka miditra ao am-piangonanareo, ary misy mahantra ratsy akanjo miditra ao koa.
3
Dia hajahajainareo erỳ ilay olona miakanjo marevaka sady ataonareo hoe: «Etsy amin’ny toeram-boninahitra ianao mipetraka, azafady»; fa ilay mahantra kosa ataonareo hoe: «Mijorojoroa eo ianao, na eto an-tongotro mipetraka».
4
Raha izany no izy, dia manavakavaka ianareo; ary sain-dratsy no entinareo manombantombana.
5
Mihainoa, ry havako malala: ireo mahantra eto amin’ izao tontolo izao no efa nofidin’Andriamanitra, mba hanan-karena amin’ny finoana ka handray ny Fanjakana izay nampanantenainy homena ireo tia Azy.
6
Fa ianareo kosa, manao tsinontsinona ny mahantra! Moa tsy ny mpanankarena ve no mampahory anareo sy mitarika anareo ho eo amin’ny fitsarana?
7
Ireo no manevateva ilay anarana soa nomen’Andriamanitra anareo.
8
Tsara ny ataonareo raha tanterahinareo ilay lalàna momba ny Fanjakàn’Andriamanitra, araka ny Soratra Masina manao hoe: «Tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao».
9
Kanefa raha mijery tavan’olona ianareo, dia manota sady mpandika ny lalàna ka melohiny.
10
Satria izay diso amin’ny lalàna anankiray monja, na dia mitandrina ny lalàna hafa rehetra aza, dia meloka amin’izy rehetra.
11
Eny, ilay Andriamanitra nanao hoe: «Aza maka vadin’olona», no nanao koa hoe: «Aza mamono olona.» Ka raha tàhiny tsy maka vadin’olona ianao, nefa mamono olona, dia mpandika ny lalàna ianao.
12
Aoka ianareo hiteny sy hiasa toy ny olona mbola hotsarain’ny lalàna mitondra fahafahana;
13
satria fitsarana tsy misy indrafo no hataon’Andriamanitra amin’izay tsy namindra fo; ny famindrampo kosa afa-mirehareha tsy matahotra ny fitsarana.
14
Ry havako, inona moa no soa azon’ny olona milaza azy ho manam-pinoana, raha tsy miseho amin’ny asa izany? Mahavonjy azy ve izany finoana izany?
15
Raha tàhiny misy havana iray finoana tsy manan-kitafy sady tsy ampy sakafo,
16
dia inona moa no soa azonareo milaza aminy hoe: «Veloma finaritra, manaova mafana tsara, manaova voky tsara», raha tsy mba omenareo azy izay ilain’ny tenany?
17
Toy izany kosa àry ny finoana: raha misy tsy miseho amin’ny asa, dia maty mihitsy.
18
Nefa raha misy manao hoe: «Ny anao finoana, fa ny ahy asa», dia hovaliako hoe: «Asehoy ahy izay finoanao tsy ombàn’asa, fa hasehoko anao amin’ny asa kosa ny finoako.»
19
Inoanao ve fa misy Andriamanitra tokana? Tsara ny ataonao. Mba mino izany koa anefa ireo demony ka mangovitra.
20
Ry adala, tianao ve ny hahafantatra fa tsy vanona ny finoana tsy ombàn’asa?
21
Ahoana moa no nahazoan’i Abrahama razantsika ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra? Noho ny asa nataon’i Abrahama, fony izy nanolotra an’i Itsehàka zanany lahy teo ambonin’ny alitara.
22
Hitanao fa indray mientana ny azy ny finoana sy ny asa; ary tonga lavorary ny finoan’i Abrahama noho ny asa nombàny azy.
23
Koa tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: ‹Nino an’Andriamanitra i Abrahama, ka nankatoavan’Andriamanitra azy ho marina izany; ary dia nantsoin’Andriamanitra hoe sakaizany izy ».
24
Hitanareo àry fa nahazo ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra ny olona, noho ny asa fa tsy noho ny finoana fotsiny ihany.
25
Toy izay koa i Rahaba vehivavy janga: nahazo ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra izy noho ny asa nataony, fony izy nampiantrano ireo iraka israelita ary nampandeha azy tamin’ny lalan-kafa.
26
Eny, maty ny vatantena raha tsy misy fofonaina, ary maty toy izany koa ny finoana raha tsy ombàn’asa.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5