bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
James 5
James 5
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
1
Mihaino ahy izao ianareo mpanankarena! Mitomania sy mitolokoa noho ny loza midona aminareo.
2
Ny harenareo efa lo ary ny fitafianareo efa lanin’ny kadradraka.
3
Ny volamena sy volafotsinareo efa harafesina, ary ny harafesiny dia vavolombelona hiampanga anareo sady handany ny nofonareo toy ny afo. Izao efa andro farany izao no nanangonanareo harena.
4
Tsy voaloanareo akory ny karaman’ireo mpiasa nijinja ny taninareo, ka mitaraina ireo; ary ny fitarainan’ireo mpijinja dia efa mby ao an-tsofin’ny Tompon’izao rehetra izao.
5
Niampoka ny soa sady niliba ianareo fahavelonareo tetỳ an-tany, ka dia efa nanatavy tena mba hajedaka amin’ny andro voatendry.
6
Nohelohinareo ny olo-marina sady novonoinareo, nefa tsy manohitra anareo.
7
Koa mahareta tsara àry, ry havana, mandra-piavin’ny Tompo. Jereo ny mpamboly miandry amim-paharetana izay vokatra sarobidy havoakan’ny tany, ka maharitra mandra-pahazony ny oram-pararano sy ny oran-dohataona.
8
Mahareta koa ianareo; aoka ho feno herimpo, fa efa mby akaiky ny fiavian’ny Tompo.
9
Aza mifampimonomonona ianareo, ry havana, mba tsy hanamelohan’Andriamanitra anareo. Indro ny mpitsara efa mijoro eo am-baravarana.
10
Ry havana, aoka ireo mpaminany izay niteny tamin’ny anaran’ny Tompo no hataonareo filamatry ny fifandeferana sy faharetana.
11
Indro ataontsika hoe sambatra izay manam-paharetana. Efa renareo ny faharetan’i Jôba, ary fantatrareo izay nataon’ny Tompo ho azy tamin’ny farany, satria be fiantra sy be indrafo ny Tompo.
12
Ary indrindra indrindra, ry havako, aza mianiana mihitsy ianareo, na amin’ny lanitra, na amin’ny tany, na amin’ny zavatra hafa; fa aoka hanao «eny» ianareo rehefa manaiky, ary hanao «tsia» rehefa mandà, fandrao hihatra aminareo ny fanamelohan’Andriamanitra.
13
Misy ory ve ianareo? Aoka izy hivavaka. Misy finaritra ve? Aoka izy ho velon-kira fiderana.
14
Misy marary ve ianareo? Aoka izy hampiantso ireo loholom-piangonana hivavaka eo aminy sady hanosotra diloilo azy amin’ny anaran’ny Tompo?
15
Fa izany vavaka izany, rehefa atao amim-pinoana, dia hahavonjy ilay marary: hositranin’ny Tompo izy ary, raha nanota, dia havela ny helony.
16
Koa mieke heloka ianareo samy ianareo, ary mifampivavaha mba hahasitrana anareo; fa mahery fiasa tokoa ny fivavaky ny olo-marina.
17
Olona tahaka antsika izao ihany i Elià; fa nivavaka mafy izy mba tsy hilatsahan’ny ranonorana amin’ny tany, dia tsy nilatsaka ny ranonorana telo taona sy tapany;
18
ary nivavaka indray izy, dia nandatsaka ranonorana ny lanitra, ka nahavokatra ny tany.
19
Ry havako, raha sendra misy aminareo miala amin’ny marina, ka misy mamerina azy,
20
dia izao no tsarovy: izay namerin-dalana ny mpanota hiala amin’ny fahadisoany, dia namonjy ny fanahin’izany mpanota izany tsy ho faty sady mikosoka ny fahotana maro miavosa.
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
All chapters:
1
2
3
4
5