bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Jonah 1
Jonah 1
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 2 →
1
Indray andro dia nisy baikon’ny TOMPO tamin’i Jônà zanakalahin’i Amitahy nanao hoe:
2
–Mitsangàna ka mankanesa any Ninive, ilay tanàna lehibe. Torio ny amin’ny hamelezana azy, satria tafakatra eto anatrehako ny faharatsian’ny mponiny.
3
Nefa niainga handositra ho any Tarsîsy hanalavitra ny TOMPO i Jônà. Nankany Jafao izy ka nahita sambo vonona ho any Tarsîsy. Naloany ny saran-dalana, dia niondrana niaraka tamin’ny tantsambo rehetra izy ary nihevitra ny hanalavitra ny TOMPO.
4
Fa nampifofofofo rivo-mahery teny amin’ny ranomasina ny TOMPO; dia nanonja mafy ny ranomasina ka nila ho vakin’ny tafiotra ny sambo.
5
Natahotra mafy ny matilò ka samy niantso vonjy tamin’ny andriamaniny avy. Dia natsipy tany an-dranomasina ny entana mba hanamaivana ny sambo. Tamin’izay kosa i Jônà efa nidina nandry tao anaty sambo iray ka resin-tory.
6
Dia nanatona azy ny kapitenin-tsambo ary nanontany azy hoe: –Fa manao inona eto ianao? Toa matory! Mitsangàna, ka mba antsoy koa ny Andriamanitrao, fa angamba hieritreritra antsika Izy ka tsy hamela antsika ho faty.
7
–’Ndeha isika hanao antsapaka hahitana izay tompon’andraikitra mahatonga izao loza izao amintsika. Natao ny antsapaka ka nianjera tamin’i Jônà.
8
Hoy ireo taminy: –Tompon’andraikitra amin’izao loza manjo antsika izao ianao, koa lazao anay izay mahatonga anao eto. Avy taiza ianao? Aiza no tany fiavianao? Olom-pirenena avy aiza ianao?
9
Hoy ny navalin’i Jônà ireo: –Hebreo aho, ary ny TOMPO Andriamanitry ny lanitra Izay nanao ny ranomasina sy ny tany no ivavahako.
10
Tamin’izay dia raiki-tahotra ireo matilò raha nitantarany fa hay nandositra ny Tompo izy. Ka hoy ireo taminy: –Fa naninona ianao no nanao izany?
11
Hataonay ahoana àry ianao mba hampitony ny ranomasina aminay? Vao mainka nihanahery hatrany ny ranomasina.
12
Hoy i Jônà tamin’ny matilò: –Batao aho ka atsipazo any anaty ranomasina dia hitony aminareo io. Fantatro fa noho ny fahadisoako no mahatonga izao tafio-drivotra mahery izao aminareo.
13
Nivoy mafy ireo matilò hahatrarana ny moron-dranomasina nefa tsy nahafa-piry, satria vao mainka nitroatra ny ranomasina.
14
Dia nitaraina tamin’ny TOMPO ireo ka nanao hoe: –TOMPO ô, aza avelanao ho faty noho ny amin’ity lehilahy ity izahay. Aza atambesatra aminay ny fahafatesan’ny anankiray izay tsy nanan-tsiny. Fa Ianao ry TOMPO no manao araka izay sitrakao.
15
Dia nobatain’ireo i Jônà ka natsipiny tany anaty ranomasina, ary nijanona ny fisafoaky ny tafio-drivotra.
16
Natahotra ny TOMPO noho izany ireo matilò ka nanolotra sorona sady nivoady taminy.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4