bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Jonah 3
Jonah 3
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 4 →
1
Ary nisy baikon’ny TOMPO fanindroany tamin’i Jônà nanao hoe:
2
–Mitsangàna ka mankanesa any Ninive ilay tanàna lehibe; ary torio aminy ny hafatra izay nolazaiko anao.
3
Dia nitsangana i Jônà ka niainga nankany Ninive, araka ny baikon’ny TOMPO. Tanàna lehibe tokoa i Ninive, fa telo andro no fitetezana azy.
4
Dia nanomboka ny fitetezana tamin’ny andro voalohany i Jônà ka nitory hoe: «Rehefa afaka efapolo andro, dia horavana i Ninive.»
5
Nino an’Andriamanitra ny mponin’i Ninive, ka nanapa-kevitra ny hifady hanina ary nitafy gony hatramin’ny lehibe ka hatramin’ny kely.
6
Rehefa ren’ny mpanjakan’i Ninive ny vaovao, dia nidina avy teo amin’ny sezafiandrianany izy ka nanala ny akanjo maha mpanjaka azy, ary nitafy gony koa sady nipetraka teo amin’ny lavenona.
7
Dia nasainy nambara nanerana ny tanàna izao didim-panjakana izao: «Araka ny didin’ny mpanjaka sy ny minisitra, dia rarana ny olona sy ny biby tsy hihinana na inona na inona na hisotro rano akory.
8
Na olona na biby dia tsy maintsy misarona lamba fisaonana avokoa. Ary aoka hitaraina mafy amin’Andriamanitra ka hiala amin’ny toetra ratsiny sy ny herisetra nahazatra ny tanany.
9
Iza no mahalala? Angamba hiova fanapahan-kevitra ihany Andriamanitra ka hiala amin’ny fahatezerany mirehitra mba tsy hahafaty antsika.»
10
Rehefa hitan’Andriamanitra ny fihetsik’ireo Ninivita izay niala tamin’ny toetra ratsiny, dia niova fanapahan-kevitra Izy ka tsy nampihatra ny loza izay nolazainy hamelezany azy.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4